Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mihevitra anao Andriamanitra

Daty
Zoma 17 April 2026

  "Tsinjovy ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?" - Mat. 6:26

Mofon’aina:
Rehefa mijery ireo hazo lehibe manofahofa ny raviny maitso sy tsara tarehy isika, ary koa mijery ny tany rakotra karipetra ,maitso malefaka, ary ireo voninkazo sy kirihitra mitsiry avy ao amin'ny tany, dia aoka hotsaroantsika fa nampiasain'i Kristy ireo hatsaran-tarehin'ny zavaboary ireo mba hampianarana lesona lehibe momba ny fahamarinana. Rehefa mahita ny salohim-bary mihofahofa eny an-tanimbary isika, ary koa mandre ireo vorona mihira amim-pifaliana ao amin'ny ravinkazo fonenany, sy mahita sambokely eny ambonin'ny farihy, dia tokony hahatsiaro ny tenin'i Kristy teo amoron'ny farihy, teny anaty ala sy teny an-tendrombohitra; ary ireo lesona nampianariny teny amin' ireny toerana ireny dia tokony hotsiahivintsika amin 'ny alalan'ireo zavaboary tahaka ireny izay manodidina antsika.- The Sanitarium Patients at Goguac Lake, 10.

Nampiasain'i Kristy ny hazo lehibe, ny tany voavoly, ny vatolampy mangadihady, ny voninkazo tsara tarehy mitady hirika hitrebonana, ny tendrombohitra mandrakizay, ny voninkazo miraratra eny an-dohasaha, ny vorona mihirahira eny ambony rantsan-kazo, ny lilia tsy misy pentina mamaka any anaty rano. Ny zavatra rehetra izay nandravaka ny tontolo manodidina azy ireo dia nataony ho fitaovana nandraketana lesona tao an-tsain'ny mpihaino Azy. ( ...) Nisarika moramora ny sain' izy ireo izay nandinika ny asan'ny Mpahary teo amin'ny zavaboary hifantoka Andriamanitry ny zavaboary izany.

Hoy i Kristy tao amin'ny iray amin'ireo lesona mafonja indrindra nentiny : "Tsinjovy ny voromanidina, fa tsy mba manie na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?"

Ilay Mpampianatra Lehibe dia misarika ny sain'ny olona hahatakatra ny fiheveran'ny Ray sy ny fitiavany ireo zanany. (...) Raha mikarakara sy mitsimbina ireo vorona madinika Andriamanitra, moa ve tsy lehibe lavitra noho izany ny fitiavana sy fiahiana asehony amin'ireo zavaboary nohariana araka ny endriny? - The Sanitarium Patients at Goguac Lake, 9, 10, 14-16.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal