Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Inoy ny Tenin'Andriamanitra 

Daty
Alahady 19 April 2026

"Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin 'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao. Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao. - Isa. 43:25,26

Mofon’aina:
Hanatona anao i Satana ka hilaza fa mpanota ianao. Nefa aza avela hameno ny sainao amin'ny fisainana izy fa noho ny maha mpanota anao dia nafoin'Andriamanitra ianao. Lazao izy hoe: "eny, mpanota aho, ary noho izany indrindra no ilako Mpamonjy. Mila famelan-keloka aho, ary efa nilaza i Kristy fa tsy ho very aho raha manatona Azy. (...) Hinoako ny teny napetrany ho ahy. (...)

" Amin'ny fotoana handraisanao ny teny fikasan'Andriamanitra amim-pinoana ka hilazanao hoe: izaho ilay ondry very ary tonga mba hamonjy ahy i Jesosy, no hahazoanao fiainam-baovao ka hahazo hery hoenti-manohitra ilay mpaka fanahy ianao. Tsy amin'ny alalan'ny fihetseham-po anefa no ahazoana ny finoana hifikirana amin'ny teny fikasana. "Ny finoana dia avy amin'ny tari-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin 'ny tenin 'i Kristy." - Rôm. 10:17. Tsy natao hiandry fiovana lehibe hiseho ianao, na hiandrandra fahatsapana fihetseham-po miavaka. (…)

Inoy ny Tenin'Andriamanitra ka lazao hoe: Tia ahy Izy, natolony ho ahy ny Ainy, ary hamonjy ahy Izy. (...) I Jesosy nojereo fa aza ny tenanao. Raiso ho Mpamonjinao Izy. Aza mitaraina noho ny fahalemenao. Raha mijery an'i Jesosy ilay Tompo sy Mpanefa ny finoanao ianao, dia ho feno fanantenana sy hahita ny famonjen'i Jehovah. Rehefa alaim-panahy hitoloko ianao, dia tereo ny molotrao hanonona fiderana an'i Jehovah. "Mifalia mandrakariva amin 'ny Tompo" - Fil. 4:4. Moa ve tsy mendrika ny hoderaina Izy? (...) 

Milaza aminao ny Tompo anio hoe: aza kivy, fa apetraho Amiko ny enta-mavesatrao. Tsy hainao ny mitondra ny fahotanao, fa Izaho no hitondra azy rehetra. (...) Raha matoky Ahy ianao, dia tsy ho orin-java-tsoa na inona na inona. (...) 

Tsy mbola nisy fanahy matoky an'i Jesosy ka navela ho very. Fa hoy ny Tompo: "Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin 'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao." - Isa. 43:25.- L 98b, 1896. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal