Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Famindrampo tsy hita lany

Daty
Alarobia 22 April 2026

"Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah (5." - Sal. 9:10

Mofon’aina:
Ny fanahy izay nafoin' Andriamanitra dia tsy hahatsapa (...) fitiavana ny fahamarinana sy ny famonjena toy izay itiavanao izany jnalaina tao amin'ny taratasy ho fampaherezana ny fo malahelo]. Raha toa ka tsy miasa ao amin'ny fo iray intsony ny Fanahin'Andriamanitra, dia ho tavela ao anatin'ny tsy firaihana izany fanahy izany ary hihevitra ny tenany mandrakariva ho efa mety. (...) Aoka ianao tsy hampifaly ny fahavalo na dia kely, amin'ny fisalasalana sy ny fanarian-toky. Hoy ny anjely: "Tsy mba mahafoy ny olony Andriamanitra na dia mania aza izy ireo. Tsy miodina amin'izy ireo amin'ny fahatezerana mirehitra noho ny zavatra kely foana Izy. Raha manota izy ireo dia manana mpisolovava eo anatrehan'ny Ray, dia i Jesosy Kristy Ilay marina." (...)

 Ilay tia anao ka nanolotra ny ainy ho anao dia tsy mba hiala aminao na hahafoy anao raha tsy ianao mihitsy no mahafoyAzy an-tsitrapo ka mandeha manompo an'izao tontolo izao sy i Satana. Tian'i Jesosy raha manatona Azy amin'izao toerana misy anao izao ianao, tsy manana fanantenana sy kely hery. Miantoraha eo amin'ny famindrampony tsy hita lany ary minoa fa horaisiny sy hekeny ianao amin'ny maha ianao anao. (...)

 Aoka ny sainao tsy hieritreritra momba ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra fa ny famindram-pony tsy hita lany sainina, ny fahavononany hamonjy ny mpanota mahantra, ary inoy fa mamonjy anao Izy. Aoka ianao hanapaka ny fatorana mangeja anao amin'ny anaran' i Jehovah. (...) Voarakitra ao amin'ny saron-tratran'i Jesosy ny anaranao ary misolo vava anao eo anatrehan'ny Ray Izy. Raha azo nampahiratina ny masonao dia ho hitanao ireo anjelin'ny lanitra miasa ho anao (...).

Manasa anao Andriamanitra mba Nino. Henoy ny Feony. (...) Mipetraka ho mpandrendrika sy mpanadio volafotsy i Jesosy. Mety mahamay tokoa ny lafaoro misy anao, kanefa hivoaka avy ao ho toy ny volamena voadio impito ianao, haneho taratra ny endrik'i Jesosy. Mahereza! Andrandrao ny masonao, minoa, dia ho hitanao ny famonjen'i Jehovah. - L 17, 1862. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal