Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba fianarana ny Baiboly

Daty
Alatsinainy 11 May 2026

 «Diniho ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary  ireny no manambara Ahy.» - Jao. 5:39.

Mofon’aina:
Tsy ampy ny mianatra ny Baiboly tahaka ny fianarana ny boky   hafa rehetra. Mba hahatonga ny fahatakarana azy hitondra famonjena dia tsy maintsy miasa ao am-pon'ilay mpandinika ny Fanahy Masina.

Ny famakiana fotsiny ny Teny dia tsy hahazoana ny vokatra kendren'ny lanitra; tsy maintsy dinihina sy lalaina ao am-po izany. Tsy azo ny fahalalana an'Andriamanitra raha tsy misy fiezahan'ny saina. Tokony handinika ny Baiboly amin-joto isika, mangataka ny fanampian'ny Fanahy Masina, mba hahatakarantsika ny Teniny. Tokony haka andininy iray isika ka hifantoka amin'ny fiezahana hahatakatra izay hevitra marina tian'Andriamanitra ampitaina amintsika, mandra-pahatonga izany ho voaraintsika tsara, ka takatsika izay "lazain'i Jehovah."

Nefa raha atao an-kamehana ny famakiana ny Soratra Masina, dia kely foana ny soa azo amin'izany. Angamba misy olona mahavaky ny Baiboly manontolo, nefa tsy mahita ny hatsarany, na mahalala ny heviny lalina sady miafina. Ny fandinihana andininy anankiray, ambara-pahazo tsara ny heviny sy ambara-pahazavan' izay ikambanany amin'ny drafi-pamonjena, dia mahasoa noho ny mamaky toko maro tsy misy antony voafaritra ka tsy ahazoana fahalalana tsara. Aza avela hisaraka aminao ny Baibolinao. Mamakia azy isaky ny misy fotoana kely ahafahanao; tadidio ao an-tsainao ireo andininy ireo. Mahazo mamaky andininy iray ianao, na dia mandeha eny an-dalambe aza, dia saintsaino izany ho tafalentika ao an-tsainao.

 Efa ho tonga ny fotoana hizahan-toetra ny fanahin'ny olona, ary izay kely finoana dia tsy hahazaka ny fisedran' izany andro sarotra izany. Aoka hodinihina tsara amim-pitandremana ireo fahamarinana voambara satria hilaintsika rehetra ny hanana fahalalana mazava tsara ny Tenin'Andriamanitra. Hazava sy ho voafaritra tsara ny fahafantarantsika ny adidintsika manokana vokatry ny fandinihana ny Baiboly sy ny fifandraisana isan'andro amin'i Jesosy, ary hahazo hery isika ka hahajoro amin'ny andro fizahan-toetra sy fakam-panahy. Izay miray amin'i Kristy ny fiainany amin'ny fatorana miafina, dia ho voatahiri.n'ny herin'Andriamanitra ho amin'ny famonjena, amin'ny ala1an'ny finoana. — TFC, b. 5, t. 273.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal