«Diniho ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.» - Jao. 5:39.
Mofon’aina:
Tsy ampy ny mianatra ny Baiboly tahaka ny fianarana ny boky hafa rehetra. Mba hahatonga ny fahatakarana azy hitondra famonjena dia tsy maintsy miasa ao am-pon'ilay mpandinika ny Fanahy Masina.
Ny famakiana fotsiny ny Teny dia tsy hahazoana ny vokatra kendren'ny lanitra; tsy maintsy dinihina sy lalaina ao am-po izany. Tsy azo ny fahalalana an'Andriamanitra raha tsy misy fiezahan'ny saina. Tokony handinika ny Baiboly amin-joto isika, mangataka ny fanampian'ny Fanahy Masina, mba hahatakarantsika ny Teniny. Tokony haka andininy iray isika ka hifantoka amin'ny fiezahana hahatakatra izay hevitra marina tian'Andriamanitra ampitaina amintsika, mandra-pahatonga izany ho voaraintsika tsara, ka takatsika izay "lazain'i Jehovah."
Nefa raha atao an-kamehana ny famakiana ny Soratra Masina, dia kely foana ny soa azo amin'izany. Angamba misy olona mahavaky ny Baiboly manontolo, nefa tsy mahita ny hatsarany, na mahalala ny heviny lalina sady miafina. Ny fandinihana andininy anankiray, ambara-pahazo tsara ny heviny sy ambara-pahazavan' izay ikambanany amin'ny drafi-pamonjena, dia mahasoa noho ny mamaky toko maro tsy misy antony voafaritra ka tsy ahazoana fahalalana tsara. Aza avela hisaraka aminao ny Baibolinao. Mamakia azy isaky ny misy fotoana kely ahafahanao; tadidio ao an-tsainao ireo andininy ireo. Mahazo mamaky andininy iray ianao, na dia mandeha eny an-dalambe aza, dia saintsaino izany ho tafalentika ao an-tsainao.
Efa ho tonga ny fotoana hizahan-toetra ny fanahin'ny olona, ary izay kely finoana dia tsy hahazaka ny fisedran' izany andro sarotra izany. Aoka hodinihina tsara amim-pitandremana ireo fahamarinana voambara satria hilaintsika rehetra ny hanana fahalalana mazava tsara ny Tenin'Andriamanitra. Hazava sy ho voafaritra tsara ny fahafantarantsika ny adidintsika manokana vokatry ny fandinihana ny Baiboly sy ny fifandraisana isan'andro amin'i Jesosy, ary hahazo hery isika ka hahajoro amin'ny andro fizahan-toetra sy fakam-panahy. Izay miray amin'i Kristy ny fiainany amin'ny fatorana miafina, dia ho voatahiri.n'ny herin'Andriamanitra ho amin'ny famonjena, amin'ny ala1an'ny finoana. — TFC, b. 5, t. 273.