Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery manamasina

Daty
Alatsinainy 18 May 2026

«Manamasìna azy amin 'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.h - Jao. 17:17.

Mofon’aina:
Tsy hahasoa antsika velively ny fahamarinana torintsika raha tsy hamasinina amin'ny alalany isika. (...) Raha mbola manjaka toy izao ny fahadisoana eto an-tany, dia ilaintsika ny mahafantatra ny fahamarinana, satria tsy ho azo hamasinina amin'ny alalan'ny  fahadisoana isika. Arakaraka ny hahatakarantsika tsara ny fahamarinana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, no hahafantarantsika ny fomba hanamasinana ny fiainantsika amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra.

 Eto amin'izao tontolo izao isika mba hozahan-toetra, koa omen'Andriamanitra fotoana hahitany ny fankatoavantsika ny fahamarinany. Sarotra tokoa ny miaina amin'izao vanim-potoana izao, ary tsy tokony ho afa-po isika raha tsy manana fifandraisana velona amin'Ilay Andriamanitry ny lanitra; tokony hahatsapa ny adidintsika eo anatrehany isan'andro isika eo amin'ny fiainantsika. (...)

Ho rentsika manodidina antsika ny feo izay mitaona antsika hiala amin'ny fahamarinana, fa raha mibanjina ny voninahitr 'Andriamanitra isika ary miezaka hanao ny sitrapony, dia ho rentsika ny feony ary ho fantatsika fa. feon'Ilay Mpiandry Tsara izany. Zava-dehibe tokoa ny fahatakarantsika izay lazain' izany feo izany amintsika. (...) 
Samy tojo fakam-panahy isika tsirairay, samy manana toetra ratsy tokony horesena; ahoana no hahafantarantsika fa manao izany asa izany tokoa isika isan'andro? Tsy maintsy mijery amin'ny fitaratra isika — ny lalana masin'Andriamanitra — ka mahita ireo lesoka amin'ny toetrantsika. Sarotra tokoa ny mahalala tsara ny tenantsika. Tsy maintsy mandinika akaiky isika sao misy zavatra tsy maintsy alantsika, ary rehefa miezaka mampilefitra ny «izaho» isika, dia homen'ny Mparnonjintsika sarobidy ny fanampiana ilaintsika mba ho mpandresy isika. (...)

Tsy lanitra izao tontolo izao, fa toerana fiomanana; eto no toeram-piasan'Andriamanitra, izay andrantsanany sy anefeny antsika mba ho vonona ho any amin'ny fonenana any an-danitra isika. Koa aza afa-po amin'ny fahafantarana fotsiny ny fahamarinana; mitaky fanavaozana isaky ny indray mandingana Andriamanitra. Toy izany no hahatafiditra antsika any amin'ny fonenana izay efa nomanin Kristy ho antsika. Ary raha manaiky ny ho isan'ny ankohonan'ny lanitra ao amin'ny fanjakan'ny voninahitra isika, dia handray valisoa mandrakizay. Andriamanitra anie hanampy antsika handresy amin'ny alalan'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy. –Ms, 1886.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal