Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery manamasina

Daty
Alatsinainy 18 May 2026

«Manamasìna azy amin 'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.h - Jao. 17:17.

Mofon’aina:
Tsy hahasoa antsika velively ny fahamarinana torintsika raha tsy hamasinina amin'ny alalany isika. (...) Raha mbola manjaka toy izao ny fahadisoana eto an-tany, dia ilaintsika ny mahafantatra ny fahamarinana, satria tsy ho azo hamasinina amin'ny alalan'ny  fahadisoana isika. Arakaraka ny hahatakarantsika tsara ny fahamarinana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, no hahafantarantsika ny fomba hanamasinana ny fiainantsika amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra.

 Eto amin'izao tontolo izao isika mba hozahan-toetra, koa omen'Andriamanitra fotoana hahitany ny fankatoavantsika ny fahamarinany. Sarotra tokoa ny miaina amin'izao vanim-potoana izao, ary tsy tokony ho afa-po isika raha tsy manana fifandraisana velona amin'Ilay Andriamanitry ny lanitra; tokony hahatsapa ny adidintsika eo anatrehany isan'andro isika eo amin'ny fiainantsika. (...)

Ho rentsika manodidina antsika ny feo izay mitaona antsika hiala amin'ny fahamarinana, fa raha mibanjina ny voninahitr 'Andriamanitra isika ary miezaka hanao ny sitrapony, dia ho rentsika ny feony ary ho fantatsika fa. feon'Ilay Mpiandry Tsara izany. Zava-dehibe tokoa ny fahatakarantsika izay lazain' izany feo izany amintsika. (...) 
Samy tojo fakam-panahy isika tsirairay, samy manana toetra ratsy tokony horesena; ahoana no hahafantarantsika fa manao izany asa izany tokoa isika isan'andro? Tsy maintsy mijery amin'ny fitaratra isika — ny lalana masin'Andriamanitra — ka mahita ireo lesoka amin'ny toetrantsika. Sarotra tokoa ny mahalala tsara ny tenantsika. Tsy maintsy mandinika akaiky isika sao misy zavatra tsy maintsy alantsika, ary rehefa miezaka mampilefitra ny «izaho» isika, dia homen'ny Mparnonjintsika sarobidy ny fanampiana ilaintsika mba ho mpandresy isika. (...)

Tsy lanitra izao tontolo izao, fa toerana fiomanana; eto no toeram-piasan'Andriamanitra, izay andrantsanany sy anefeny antsika mba ho vonona ho any amin'ny fonenana any an-danitra isika. Koa aza afa-po amin'ny fahafantarana fotsiny ny fahamarinana; mitaky fanavaozana isaky ny indray mandingana Andriamanitra. Toy izany no hahatafiditra antsika any amin'ny fonenana izay efa nomanin Kristy ho antsika. Ary raha manaiky ny ho isan'ny ankohonan'ny lanitra ao amin'ny fanjakan'ny voninahitra isika, dia handray valisoa mandrakizay. Andriamanitra anie hanampy antsika handresy amin'ny alalan'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy. –Ms, 1886.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal