Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andro Fahafinaretana sy Fitahiana

Daty
Alatsinainy 25 May 2026

«Raha miaro ny tongotrao amin 'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin 'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe Miendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin 'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin 'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.» - Isa. 58:13,14.

Mofon’aina:
Andron'Andriamanitra ny Sabata, (...) fa tsy androntsika; raha mandika izany isika dia toy ny mangalatra amin'Andriamanitra (...) Henemana manontolo no efa nomen'Andriamanitra antsika hiasana, ary iray monja no natokany ho Azy. Tokony ho andro fitahiana ho antsika io andro io, izay tsy hanaovantsika ny raharahantsika andavanandro fa hifantohantsika amin'Andriamanitra sy ny lanitra kosa.

Aoka kosa ny fivavahana sy ny fiankohofantsika amin'Andriamanitra tsy hataontsika toy ny asa manasatra. Tokony ho fitahiana ho an'ny zanatsika ny Sabata. Tokony ho andro fifaliana, andro nohamasinin' Andriamanitra ho azy ireo izany; ary izany tokoa no handraisany azy raha beazina araka ny tokony ho izy izy ireo. (...) Azontsika aseho azy ny voninkazo mamelana sy mivelatra, ny hazo mijoalajoala, ny ahi-maitso mahafinaritra, ka ampianarintsika azy ireo fa henemana no namoronan'Andriamanitra ireny rehetra ireny, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito ka nanamasina azy. (...) 

Aoka tsy hampianarintsika ny zanatsika fa tsy mahazo mifaly izy ireo rehefa Sabata, na hoe tsy mahazo mivoaka ny trano izy ireo rehefa Sabata. Tsia. Nitondra ny mpianany teny amoron-drano i Kristy tamin'ny andro Sabata, ary nampianatra azy. Tsy voatery tao anaty rindrina efatra mandrakariva no nitoriany teny (...).

Maro no milaza fa hitandrina ny Sabata izy ireo raha mety aminy izany. Nefa tsy anao ny Sabata; andron'Andriamanitra izany, ary tsy azonao atao ny maka izany, toy ny tsy fahazoanao mangalatra ny poketrako. Voatokan'Andriamanitra sy nohamasininy izany; adidy ny manokana io fotoana io hanompoana Azy, ny manome voninahitra izany, ny manao izany ho fahafinaretana. — Ms, 3, 1879.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal