«Raha miaro ny tongotrao amin 'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin 'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe Miendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin 'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin 'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.» - Isa. 58:13,14.
Mofon’aina:
Andron'Andriamanitra ny Sabata, (...) fa tsy androntsika; raha mandika izany isika dia toy ny mangalatra amin'Andriamanitra (...) Henemana manontolo no efa nomen'Andriamanitra antsika hiasana, ary iray monja no natokany ho Azy. Tokony ho andro fitahiana ho antsika io andro io, izay tsy hanaovantsika ny raharahantsika andavanandro fa hifantohantsika amin'Andriamanitra sy ny lanitra kosa.
Aoka kosa ny fivavahana sy ny fiankohofantsika amin'Andriamanitra tsy hataontsika toy ny asa manasatra. Tokony ho fitahiana ho an'ny zanatsika ny Sabata. Tokony ho andro fifaliana, andro nohamasinin' Andriamanitra ho azy ireo izany; ary izany tokoa no handraisany azy raha beazina araka ny tokony ho izy izy ireo. (...) Azontsika aseho azy ny voninkazo mamelana sy mivelatra, ny hazo mijoalajoala, ny ahi-maitso mahafinaritra, ka ampianarintsika azy ireo fa henemana no namoronan'Andriamanitra ireny rehetra ireny, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito ka nanamasina azy. (...)
Aoka tsy hampianarintsika ny zanatsika fa tsy mahazo mifaly izy ireo rehefa Sabata, na hoe tsy mahazo mivoaka ny trano izy ireo rehefa Sabata. Tsia. Nitondra ny mpianany teny amoron-drano i Kristy tamin'ny andro Sabata, ary nampianatra azy. Tsy voatery tao anaty rindrina efatra mandrakariva no nitoriany teny (...).
Maro no milaza fa hitandrina ny Sabata izy ireo raha mety aminy izany. Nefa tsy anao ny Sabata; andron'Andriamanitra izany, ary tsy azonao atao ny maka izany, toy ny tsy fahazoanao mangalatra ny poketrako. Voatokan'Andriamanitra sy nohamasininy izany; adidy ny manokana io fotoana io hanompoana Azy, ny manome voninahitra izany, ny manao izany ho fahafinaretana. — Ms, 3, 1879.