Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sahia miavaka

Daty
Talata 09 June 2026

"Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray." - 1 Jao. 2:15

Mofon’aina:
Ireo milaza fa mahalala ny fahamarinana sy mahatakatra ny -I asa lehibe tokony hatao amin'izao fotoana izao dia tsy maintsy manokana ny momba azy ho an'Andriamanitra (...) Aoka izy ireo hiavaka amin'ny fironan'izao tontolo izao sy ny fanaony eo amin'ny fitiavany, ny fiakanjony, ny fiteniny ary amin'ny lafim-piainany rehetra. Tsy ny fitafiany no mampiavaka azy ireo, fa noho izy vahoaka manokana sy masina, dia tsy azony atao ny mitafy ny fitoviana amin'izao tontolo izao.

 Amin'ny maha vahoakan' Andriamanitra antsika, dia tokony hamboatra ny lalan' i Jehovah isika. Ny fahaiza-manao rehetra nomen' Andriamanitra antsika dia tsy maintsy ampiasaina amin'ny fanomanana ny olona hanahaka an' Andriamanitra, araka ny famolavolany (...), mba hahatonga azy hahafahatra amin'izao fiomanana ho amin'ny andro lehiben'i Jehovah izao. (...) Maro no mihevitra fa ho any an-danitra izy kanefa voatampin'izao tontolo izao ny masony. (...) Marobe no tsy manana fanantenana mazava, ka tandindomin-doza lehibe hanao izay nampianarin'i Jesosy indrindra fa tsy tokony hataony, amin ny fihinana sy ny fisotro, amin'ny fitafy; mifamatotra amin'izao tontolo izao amin'ny fomba samihafa izy ireny. Ilainy ny mianatra lesona lehibe izay manan-danja fatratra amin'ny fitomboana ara-panahy; ilainy ny miasa sy mihataka amin'izao tontolo izao.

Mizarazara ny fo, maniry fatratra ny hitovy amin'ny hafa ny fisainana ara-nofo (...) ka mila tsy ho hita intsony ny fiavahana amin'izao tontolo izao. Lanina ny vola, ny vola izay an'Andriamanitra, mba hanarahana ny fomban'izao tontolo izao; voaloton ny fanaon'izao tontolo izao ny fanandramana ara-pivavahana; samy tsy mahita ny fanahafana an'i Kristy (...) na izao tontolo izao na ny lanitra. - Ms 8, 1894.

Izao no fanontaniana tokony hapetraka: "Moa ve isika vonona hisaraka amin'izao tontolo izao, mba hahatonga antsika ho zanak' Andriamanitra?" Tsy asa vita ao anatin'ny fotoana fohy na iray andro izany (...) fa asa mandritra ny fiainana. Tsy maintsy atao fitsipi-piaina ny fitiavana an'Andriamanitra, ka ho hita soritra eo amin'ny asa sy ny teny ataontsika ary ny eritreritsika rehetra. -RH, 23 Oktôbra 1888. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal