"Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaratnila." - 2 Tim. 2:4
Mofon’aina:
Ny Tompo Jesosy dia maniry ny hihatahan'ireo izay novidiny amin'izay rehetra mety hampiditra azy amin'ny fakam-panahy. An'ny Tompo isika amin'ny alalan'ny famoronana, ary Azy koa amin'ny alalan'ny fanavotana. Tsy maintsy mailo sy maranitra ny fahatsapantsika rehetra mba hananantsika fifandraisana marina amin'Andriamanitra.
Ny namana sy ny fiaraha-monina fidintsika dia mety ho fanampiana na sakana ho antsika. Aoka isika tsy hanandrana akory hitoetra eo amin'izay hanodidinan ny anjely ratsy antsika amin'ny fandrika sy ny fakam-panahiny. Ataon' i Satana eo anolo an ' ny fanahy ny fakam-panahy manintona. Miseho ho toy ny anjelin'ny mazava izy ka manarona ny fakam-panahiny amin'ny endrika toa tsara. Ny anj ara asantsika voalohany dia ny mihataka amin'izay rehetra mandoto ny fanahy.
Raha tsy atao fitsipi-piainana ny Baiboly, dia hamelatra fandrika ho an'ny fanahy ny fahazarana sy fitiavana nolovaintsika sy izay novolentsika. (...) Sarobidy ny fanahy, ary mihoatra noho ny volamena eo imason'Andriamanitra (...). Nasehon'i Kristy ny tombambidy anombanany ny fanahin'ny olona.
Jereo ny fietreny, ny hirifiry niaretany, ny fahafatesany. Raha nihevitra izay mahafinaritra Azy Izy, (...) dia tsy ho nandao ny lapan' ny lanitra mihitsy (...)
Rehefa mandany ny androm-piainany amin'ny fandehanana araka izay ampirisihin'ny fony ny olombelona, ka mametraka ny talentany ao amin'ny tempolin'i Satana ary mifidy izay tombontsoany manokana, dia inona no azony? Fiderana tsy misy vidiny avy amin'izao tontolo izao. Ary inona no veriny? Fahasambarana mandrakizay. (...)
Miantso antsika Andriamanitra tsy hanobatoba ny herintsika sy ny talentantsika ary ny herin-tsaina sy ny herim-batantsika amin-javatra tsy misy lanjany (...) fa hibanjina ny mandrakizay ary hilefitra eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Aoka ho lohahevitra ambony sy madio ary manandratra no hifantohan'ny saina. Hoy Andriamanitra amin'ny tsirairay amin'ny mana fananany azy: "Moa tsy fantatrareo fa (...) tsy tompon 'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an 'Andriamanitra amin 'ny tenanareo." - 1 Kôr. 6:19,20.- Ms 21, 1898.