Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny volamena amin'ny toetra kristianina

Daty
Alatsinainy 15 June 2026

"Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny lamena." - Ohab. 22:1

Mofon’aina:
Mety maniry laza ny olona. (...) Ho an'ny sasany, ny fananana trano sy tany ary vola be, izay mahatonga azy ho lehibe araka ny fanombanan'izao tontolo izao, no fara tampon'ny faniriany. Iriny ny hahatratra toerana ahafahany mijery ny mahantra amim-piheverana fa ambony izy. Ireo rehetra ireo dia manorina eo ambonin'ny fasika, ary hirodana tampoka ny tranony. Ny toerana ambony dia tsy tena fahalehibiazana marina. Zava-poana izay tsy mampitombo ny lanjan'ny fanahy. Ny hany mendrika hokatsahina dia ny fahalehibiazan'ny fanahy eo imason'ny lanitra. (...) Ny hany ahafahana mandrefy ny tombambidintsika dia ny lanjan'ny Aina izay natolotra mba hamonjena izay rehetra mandray izany.

Ny olona rehetra dia hahalala ny tena tombambidiny rehefa tonga mpiara-miasa amin'i Kristy izy ka manao ny asa nataon'i Kristy (...) ary manatanteraka ny iraka nampanaovin'ilay Avo Indrindra. (... ) Ny iraka nomena ny mpianatra dia ho an'izay rehetra mifandray amin'i Kristy. Tokony hanao ny sorona rehetra izy ireo mba hahazoany fifaliana eo am-pahitana fanahy maro voavonjy izay very tsy manana an'i Kristy. (...)

Ny voninahitra ambony indrindra azo omena ny olombelona, na tanora izy na antitra, na manan-karena na mahantra, dia ny fahazoana manandratra ireo ampahorina sy mampahery ny saina ketraka. Feno fahoriana izao tontolo izao. Mandehana, torio amin'ny mahantra ny filazantsara; sitrano ny marary. Izany no asa mifandray amin'ny hafatry ny filazantsara. (...) Ny mpiara-miasa amin'Andriamanitra dia tokony hameno ny toerana misy azy eto amin'izao tontolo izao amin'ny fitiavan' i Jesosy. (...) Aseho amin'ny asa ny fitiavana an'i Kristy ao am-po. (...)

 Ny finoana marina sy ny fitiavana tena izy no tena harena. Ireo no mahatanteraka ny toetra ao amin'i Kristy. Raha misy finoana bebe kokoa — finoana tsotra sy matoky an' i Jesosy — dia hisy fitiavana madio, izay volamena amin'ny toetra kristianina. –Ms 61, 1898.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal