Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mamolaka ny lela

Daty
Alarobia 17 June 2026

"Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan 'ny mihaino fahasoavana." - Efes. 4:29

Mofon’aina:
Teo anatrehan'ny fironan'ny olona hanararaotra ny fanomezam-  pahasoavan'ny fiteny, dia nanome toromarika mikasika ny fampiasana izany ny apostoly. Hoy izy: "Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto fa izay tsara ho fampandrosoana." - Efes. 4:29. Ny teny "maloto" eto dia izay teny rehetra manimba ireo fitsipika masina sy ny fivavahana tsy misy pentina, ny teny rehetra izay manakona an'i Kristy sy mamafa ny tena fitiavana sy ny fangorahana marina ao an-tsaina. ( ...) 

Fikasan'Andriamanitra ny hahitana ny voninahitr'i Kristy eo amin' ireo zanany. Foto-kevitra madio tsy miharoharo zavatra hafa no hita tao amin'ny fampianaran'i Kristy. Tsy mba nanota Izy, ary tsy nisy fitaka tao am-bavany. Fahamarinana masina sy manandratra mandrakariva no teo imolony. Tsy mbola nisy niteny tahaka Azy, tamin'ny fitiavana izay nikasika ny fo. (...) Tsy mba niala tamin'ny vavany ny fahamarinana. Tamim-pahasahiana no nampiharihariany ny fihatsarambelatsihin' ireo mpisorona sy ny mpanapaka, ny Fariseo sy ny Sadoseo. (...)

Aseho mazava ao amin'ny Tenin' Andriamanitra ny andraikitra lehibe mifamatotra amin'ny fampiasana ny talentan'ny fiteny: "Fa ny teninao no hanamarinana anao, aiy ny teninao no hanamelohana anao," hoy i Kristy (Mat. 12:37). Ary ny mpanao Salamo dia manontany hoe: "Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin 'ny tabernakelinao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsv, sady misaintsaina ny marina ny fony; tsy manendrikendrika amin 'ny lelany, sady tsy manisy rats), ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany" Sal. - RH, 12 Mey 1910.

Kolokoloy ao an-tsaina ny fitiavam-bavaka ary zaro ny lelanao hiteny ny marina izay hitondra fitahiana ho solon'ny fahakiviana. (...) Resaho ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny famindrampony ary ny fitiavany. Esory ny teny mitory tsy finoana sy izay rehetra tsy misy heviny. Aoka ny teninao ho feno fahendrena, tsy ho azo melohina, dia hitoetra ao amin'ny fanahy ny fiadanan'i Jehovah. - Ms 151, 1898. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal