Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Halaviro ny teny mandratra sy tsy voahevitra 

Daty
Alarobia 24 June 2026

"Koa esory ny lolompo rehetra sy ny fitaka rehetra sy ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra, fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin 'izany ho amin'ny famonjena." - 1 Pet. 2:1,2

Mofon’aina:
Aoka isika handinika izany toromarika izany. Tombony o antsika ny mitombo mandra-pahatrarantsika "ny (Many ny halehiben 'ny fahafenoan 'i Kristy" - Efes. 4:13. Aoka isika tsy hanao teny tsy voahevitra ka hifandratra amin'ny teny maharary. (...) 

Ny asa ao amin'ny sahan'Andriamanitra dia tsy tokony hotanterahina ao anatin'ny fifandirana; tsy tokony hisy teny tsy voahevitra ao na koa didiko fe lehibe. Aoka ny mpiasa ao ho madio sy masina amin'ny fisainana, amin'ny fiteny ary amin'ny asa. Tokony ho vavolombelon' i Kristy izy ireo, ary haneho fa efa olom-baovao. - L 179, 1902.

(...) Tian' i Kristy ny maneho fankasitrahana ny mpiasa mahatoky rehetra, ary hataony izany. Ny asa tsara rehetra dia voarakitra ao amin'ny boky. Mety hisy ny fahadisoana kely, nefa ny teny feno fanevatevana dia miteraka fihetseham-pon'ny famalian-dratsy ka manala baraka an' Andriamanitra. (...) Aoka tsy hotononina eo amin'izay anaovana ny asan'ny Tompo ny teny tsy amim-piheverana sy tsy hendry. (...) Aoka hotsaroantsika fa Kristianina isika ary rnitonona ho iray asa, ka 
tsy tokony hanao toy ny mpanota, manao teny sy asa feno fahotana izay hanameloka azy raha tsy hibebahany. (. ..)

 "Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty" - ApOk. 3:2. Izany no asa tokony hataontsika. Maro ireo efa ho faty ara-panahy, ka miantso antsika ny Tompo mba hampahery azy ireny. Aoka ny vahoakan'Andriamanitra hanefa tsara ny adidiny. Aoka izy ireo hikambana amin'ny fatoran'ny firahalahiana kristianina ka hohatanjahin'ny finoana noho ny firesahany momba ireo fahamarinana sarobidy nankinina taminy. Tsy tokony hifanditra na hifampitsara na oviana na oviana izy ireo, fa tokony hiray fo hanandratra ny lanj an'ny fankatoavana fly lalan'Andriamanitra. - L 179, 1902.

 Amin' izao fiainana izao, dia tsy misy zava-dehibe kokoa noho ny fanomanana ny toetra, mba hahafahantsika miditra amim-pifaliana ao amin'ny fonenan'ny masina any an-danitra. Koa nahoana isika no tsy manararaotra ny tombontsoa hananam-pahamasinana eto an-tany? - L 179, 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal