"Koa amin 'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak 'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany." - Rôm. 12:1.
Mofon’aina:
Rehefa manao izay hahaosa ny herin'ny saina sy ny vatana isika — na amin'ny fihinanana, na amin'ny fisotro, na amin'ny fahazarantsika rehetra — dia manala baraka an'Andriamanitra, satria mandroba Azy amin'ny fanompoana izay andrasany amintsika. Rehefa manaram-po amin'ny flâna isika ka mahasimba ny fahasalamantsika, (...) dia tsy ho takatsika araka ny fahamboniany marina ny fanavotana antsika, ary tsy haintsika ny hanombana araka ny tokony ho izy ireo zava-panahy mandrakizay.
Rehefa mihamaizina sy mararin' ny aretina ny saintsika, dia mora resin' ny fakam-panahin' i Satana isika. Ny fihinanana sakafo tsy mahasalama mba hanomezana fahafaham-po ny hatendan-kanina dia manembantsembana mivantana ny fikorianan'ny ra, miteraka fahosana eo amin'ny rafikozatatitra, ary manjary tsy manam-paharetana sy fitiavana marina vokatry ny fo ilay olona. Na ny vatana na ny saina na ny fitondrantena, dia manjary osa avokoa noho ny fanaranam-po amin'ny hatendan-kanina. (...)
Tsinontsinona ny harena rehetra eto amin'izao tontolo izao raha ampitahaina amin'ny lanjan'ny herin-tsaina sy ny fitondrantena. Ary miankina amin'ny fahasalaman'ny vatana ny fahafahan'ireo hery ireo miasa tsara. Koa zava-dehibe indrindra ny fahafantarantsika ny fomba hitandroana ny fahasalamantsika, mba hahatanterahantsika ny adidintsika amin'Andriamanitra sy ny olombelona araka ny baikony. Mazava tsara ny lalàn'Andriamanitra. Tsy misy aloky ny fisalasalana afaka manamaizina izany. (...) Ny fahazaran-dratsy izay mandemy ny saina no mahatonga izany hanjavozavo amin'ny olona.
Te hampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny fahalalana onony amin'ny zavatra rehetra Andriamanitra. Ny tsy fahalalana onony no nahatonga ireo ray aman-drenintsika voalohany ho lavo, ka niala ny fahamasinany sy ny fahasambarany, noho ny nandikany lalàna. Toy izany koa anefa, ny fahalalana onony amin'ny zavatra rehetra dia hitahiry ny herintsika ho salama indrindra araka izay azo atao, (...) ka hitarika ho amin'ny asa tsara amin'ny fitandremana ny lalàny ny fisainana. (...) Tsy maintsy miasa mifanaraka amin'ny lalàn'ny zavaboary isika raha te hahatakatra ireo fitakian'ny lalàn'Andriamanitra izay nambara teo Sinay. – L, 27, 1872.