Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fanompoam-panahy mety ataontsika

Daty
Alahady 05 July 2026

 "Koa amin 'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak 'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany." - Rôm. 12:1.

Mofon’aina:
Rehefa manao izay hahaosa ny herin'ny saina sy ny vatana isika — na amin'ny fihinanana, na amin'ny fisotro, na amin'ny fahazarantsika rehetra — dia manala baraka an'Andriamanitra, satria mandroba Azy amin'ny fanompoana izay andrasany amintsika. Rehefa manaram-po amin'ny flâna isika ka mahasimba ny fahasalamantsika, (...) dia tsy ho takatsika araka ny fahamboniany marina ny fanavotana antsika, ary tsy haintsika ny hanombana araka ny tokony ho izy ireo zava-panahy mandrakizay.

Rehefa mihamaizina sy mararin' ny aretina ny saintsika, dia mora resin' ny fakam-panahin' i Satana isika. Ny fihinanana sakafo tsy mahasalama mba hanomezana fahafaham-po ny hatendan-kanina dia manembantsembana mivantana ny fikorianan'ny ra, miteraka fahosana eo amin'ny rafikozatatitra, ary manjary tsy manam-paharetana sy fitiavana marina vokatry ny fo ilay olona. Na ny vatana na ny saina na ny fitondrantena, dia manjary osa avokoa noho ny fanaranam-po amin'ny hatendan-kanina. (...)

Tsinontsinona ny harena rehetra eto amin'izao tontolo izao raha ampitahaina amin'ny lanjan'ny herin-tsaina sy ny fitondrantena. Ary miankina amin'ny fahasalaman'ny vatana ny fahafahan'ireo hery ireo miasa tsara. Koa zava-dehibe indrindra ny fahafantarantsika ny fomba hitandroana ny fahasalamantsika, mba hahatanterahantsika ny adidintsika amin'Andriamanitra sy ny olombelona araka ny baikony. Mazava tsara ny lalàn'Andriamanitra. Tsy misy aloky ny fisalasalana afaka manamaizina izany. (...) Ny fahazaran-dratsy izay mandemy ny saina no mahatonga izany hanjavozavo amin'ny olona.

Te hampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny fahalalana onony amin'ny zavatra rehetra Andriamanitra. Ny tsy fahalalana onony no nahatonga ireo ray aman-drenintsika voalohany ho lavo, ka niala ny fahamasinany sy ny fahasambarany, noho ny nandikany lalàna. Toy izany koa anefa, ny fahalalana onony amin'ny zavatra rehetra dia hitahiry ny herintsika ho salama indrindra araka izay azo atao, (...) ka hitarika ho amin'ny asa tsara amin'ny fitandremana ny lalàny ny fisainana. (...) Tsy maintsy miasa mifanaraka amin'ny lalàn'ny zavaboary isika raha te hahatakatra ireo fitakian'ny lalàn'Andriamanitra izay nambara teo Sinay. – L, 27, 1872. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal