Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Mankanesa aty Amiko"

Daty
Alarobia 10 April 2024

 "Mankanesa aty Amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fisaharana." - Mat. 11:28.
Mofon’aina :
Maro amin'ireo izay mandre io fanasana io no maniry fitsaharana tokoa kanefa mizotra amin'ny lalana mikitoantoana, sady mamihina eo an-tratrany ny enta-mavesany. Tia azy ireo i Jesôsy ary maniry fatratra ny hitondra azy ireo sy ny enta-mavesany eo an-tsandriny mahery. Ho azony esorina ny tahony sy ny ahiahiny izay mandroaka ny fiadanana sy ny fitsaharana; kanefa mila manatona Azy aloha izy ireo, ary mamboraka Aminy ny zava-mampahory miafina ao am-pony ao. (...)
Indraindray tantaraintsika eo an-tsofin'olombelona ny olantsika, ary olona tsy afaka hanampy antsika akory no ilazantsika ny fahoriantsika. Ataontsika tsirambina ny fanankinana ny zava-drehetra amin'i Jesôsy kanefa Izy no mahay manova ny lalam-pijaliantsika ho lalana feno fifaliana sy fiadanana. (...)
Maniry ny ho namantsika Izy, hiara-mamakivaky ny lalana mikitoantoan'ny fiainana amintsika. Hoy Izy amintsika: Izaho no Jehôvah Andriamanitrao; miaraha Amiko fa hofenoiko fahazavana ny lalanao. Maniry ny homba ireo izay manatona Azy miaraka amin'ny enta-mavesany sy ny fahalemeny ary ny ahiahiny i Jesôsy, ilay Mpanjakan'ny lanitra. (...)
Manasa antsika ho amin'ny fiainana madio sy masina ary sambatra Izy   fiainam-piadanana sy fitsaharana, fiainam-pahafahana sy fitiavana — mba handova ilay fiainana ho avy tsy misy fahafatesana (...) Tombontsoantsika ny miara-mandeha amin'i Jesôsy isan'andro ao anatin'ny fahatoniana sy ny fahasambarana.
Mahita fitsaharana isika rehefa tsy manamarin-tena sy miala amin'ny fieritreretana feno fitiavan-tena. Ny fanoloran-tena tanteraka sy ny fanekena ny lalana itondran'Andriamanitra no tsiambaratelon'ny fitsaharana tanteraka ao amin'ny fitiavany (...). Ataovy fotsiny izay asainy ataonao, ka matokia fa hotanterahiny tokoa izay efa nolazainy fa hataony. (...) Moa ve efa nanatona Azy ianao, ka nilaozanao ny fisainanao feno tsy finoana sy fanamarinan-tena, ary tsy nisy nanafenanao? Manatona amin'izao toetranao izao, malemy, tsy afa-manoatra ary efa ho faty.
Inona no ampanantenaina ireo "sisa"?
— Ny fahatsapana tsara fa marina Andriamanitra, tsy mandiso fanantenana na oviana na oviana izay manatona Azy Izy. Mamela heloka tanteraka sy maimaimpoana Izy ary midika ho fitsaharana ho an'ny fanahintsika, fitsaharana ao amin'ny fitiavany, ny fanekeny antsika. - OHC, t. 97. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal