"Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo." - Gen. 2:24.
Mofon’aina:
Ry zanako, efa nifanaiky ianareo; atolory an'Andriamanitra manontolo sy tsy misy fepetra ny fonareo mitambatra. Aoka ianareo hifanandratra ao anatin'ny fiainam-panambadiana. Aza mitotongana ho amin'ny fiteny na fihetsika feno fahambaniana. Asehoy— ireo foto-kevitra masin'ny finoanareo ambony sy mendrika eo amin'ny resaka ifanaovanareo andavanandro, na eo amin'ny fifandraisanareo miafina indrindra aza. Aoka hifampitsinjo sy hifampihevitra mandrakariva. Aza avela hanisy elanelana eo aminareo, na dia indray mandeha monja aza, ny esoeso na ny vazivazy zary tenany feno fitsikerana. Mampidi-doza ireny zavatra ireny ary mandratra. Azo afenina ny ratra kanefa eo tokoa izany; manjary rava ny fiadanana, ary ny fahasambarana tandindomin-doza. (...)
Anaka, mitandrema andrao mampiseho toetra mitady hanjakazaka na manao didiko fe lehibe. Aleo mandinika tsara alohan'ny hitenenana. Ho mora kokoa mantsy ny manitsy na mamafa ny vokatry ny teny efa voalaza amin'izany. (...) Mitenena amim-pahalemem-panahy hatrany; aoka tsy handrenesana fahasosorana ny feonao.
Fehezo na dia ny lantom-peonao aza. (...) Ataovy toy ny asa anirahana anao ny mampiely tara-pahazavana, fa aza asiana rahona manaloka mihitsy ao aorianao. Ho tonga izay rehetra irinao i Emma raha mitandrina ianao ka tsy manome alahelo na fahorian-tsaina azy, ka mahatonga azy hisalasala ny amin'ny fitiavanao. Ianareo ihany no mahay mampisy fahasambarana na tsia ao an-tokantranonareo. Azonareo atao ny ho tonga mahatoky, mendrika, ambony, ary manamora ny fiainan'ny ankilany, amin'ny fanarahanareo ny Tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainanareo. (...)
Mifandefera. Edson, tsy voatery hekena ny hevitrao indraindray. Aza miziriziry, na dia toa marina eo imasonao aza ny ataonao. Aoka ianao hahay handefitra, hanam-paharetana, ho be fitiavana, ho tsara fanahy sy miantra, hahalala fomba; tohizo mandrakariva ny fifanehoam-pitiavana madinidinika eo amin'ny fiainana (...). Ary ny fitahiana tsara indrindra avy any an-danitra anie ho aminareo roa, ry zanako malala, izany no vavaky ny reninareo. — L, 24, 1870.