Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitady an'i Jehôvah amin'ny fo rehetra

Daty
Zoma 12 April 2024

 "Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, hianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho." - Zak. 9:12.

Mofon’aina :
Ilaintsika ny mitaiza ny fanahintsika hifikitra mafy amin'ireo teny fikasan'i Kristy. Fantatr'i Jesôsy Tompo fa tsy vitantsika ny hanohitra ny fakam-panahy maro alefan'i Satana raha tsy manana ny hery avy amin'Andriamanitra isika. Fantany tsara fa raha ny herin'ny tenantsika ihany dia azo antoka fa ho resy isika. Koa nomeny avokoa izay rehetra ilaintsika, ka isaky ny misy fahamehana sy fitsapana dia hahita fiarovana mafy isika. (...) Manana ny teny fikasana avy amin'ilay molotra tsy mba mandainga isika. (...) Tsy maintsy mikolokolo ny finoana isika tsirairay fa ho azontsika tokoa izay efa nampanantenainy antsika. 
Ho tonga zavatra rehetra ho antsika Andriamanitra raha avelantsika. Tsy ahazoantsika tombontsoa avy any an-danitra velively ny vavaka tsy misy aina sy tsy tena amin'ny fo ataontsika. Tena ilaintsika ny fikirizana rehefa mangataka isika! Mangataha amim-pinoana, miandrasa amim-pinoana, mandraisa amim-pinoana, mifalia amin'ny fanantenana, fa izay rehetra mitady no hahita. Aoka hafana fo amin' izany isika. Katsaho amin'ny fo rehetra Andriamanitra. Manao ny ezaka rehetra amin'ny fony sy ny sainy ny olona mba hahazoany fahombiazana ara-nofo eto amin'ity fiainana ity. Ianaro tsara amim-pahamatorana koa ny mikatsaka ireo harem-pitahiana nampanantenain'Andriamanitra, ka miezaha amim-paharetana sy fahavononana, diaho azonao ny fahazavany sy ny fahamarinanay ary ny harem-pahasoavany. 
Mitalahoa fatratra amin'Andriamanitra, amin'ny fo mahitsy sy fanahy mangetaheta. Mitoloma amin'ny anjely avy any an-danitra mandra-pahazoanao ny fandresena. Apetraho eo an-tanan'ny Tompo ny momba anao rehetra, ny fanahinao sy ny tenanao ary ny sainao, ka meteza ho mpanompony be fitiavana sy feno fanoloran-tena, tarihin'ny sitrapony, fehezin'ny sainy ary heniky ny Fanahiny.                                                                                                                
Ambarao amin'i Jesôsy izay ilain'ny fanahinao marina. Tsy ny hifandahatra maharitra na hitoriteny amin'Andriamanitra tsy akory no takina aminao, fa ny hilazanao amin'ny fo malahelo noho ny ota manao hoe: "Vonjeo aho Tompo ô, sao very". Misy fanantenana ho an'ny fanahy toy izany. Hikatsaka izy, hangataka, handondona, ary dia hahita. Ho fantatrao ny fitahian'ny fiadanan'i Kristy rehefa esorin'i Jesôsy tsy hanorotoro ny fanahinao ny entam-pahotana mavesatra. — OHC, t. 131.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal