Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fatoran'ny fanambadiana

Daty
Alarobia 15 July 2026

 "Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy." - Gen. 2:18.

Mofon’aina:
Hitako matetika ireto teny ireto: «Miankina amin'ny vintana ny fanambadiana.» Toa mino izany fanambarana izany ny olona sasany, ary vavolombelona maneho izany ny fiainan-tokantranony. Tsy miankina amin'ny vintana velively anefa ny tena fanambadiana marina. Naorina tany Edena ny fanambadiana. Taorian'ny namoronana an'i Adama, dia hoy ny Tompo: «Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. » Ireo anjelin'Andriamanitra no vavolombelona rehefa natolotry ny Tompo an'i Adama i Eva. Vitsy ihany ny mpivady no tena tafaray rehefa tanteraka ny lanonam-panambadiana. Tsy mampiray azy ho nofo iray vetivety foana eo ny voady nifanaovany. Any amin'ny fiainany ho avy no tsy maintsy mitranga ny fifamatoran'izy roa ao anatin'ny fiainam-panambadiana. Mety ho tonga fahasambarana tokoa io firaisana io, raha tena mifanome fitiavana avy amin'ny fo marina ny andaniny sy ny ankilany.

Ny fahelan'ny fotoana anefa dia manaisotra ilay nofinofy mamy noeritreretina momba ny fanambadiana, ary avy eo misy soso-kevitr'i Satana tonga ao an-tsaina manao hoe: «Tsy tena mifankatia araka ny fiheverantsika azy akory isika.» Roahy hiala ao an-tsaina izany. (...)

Aoka ny tsirairay hanadino ny tenany; aza manaiky hanome fahafaham-po an'i Satana amin'ny fandraisanareo ny heviny. Hataony izay hahatonga anareo hifampiahiahy, hifampialona amin' izao zava-bitika rehetra izao, mba hahitany hirika handravana ny fifankatiavanareo. (...) Rehefa tsapanareo manjavona Hay nofinofy mamy tany am-boalohany, dia aoka ny tsirairay handinika - tsy amin'ny fientanam-po - ny fomba hahafahany manatsara ny fiainam-panambadiany ho araka izay tian'Andriamanitra.

Fanomezan-tsarobidy avy amin' Andriamanitra ny fiainana, ary tsy tokony holaniana foana amin'ny fanao feno fitiavan-tena sy nenina, na amin'ny fanehoana fangatsiahana sy farikahalana. Aoka ny mpivady hifampiresaka momba ny zavatra rehetra. Aoka hohavaoziny ny fifanehoam-pitiavany tany am-boalohany; aoka hifanaiky heloka, nefa mitandrema tsara mba tsy ny fahadisoan'ny vadiny no hotanisain'ny vavy na ny lahy. MivonOna hanao izay rehetra azonao atao ho an'ny vadinao, dia ho tonga fatorana mahafinaritra indrindra ny fatoran'ny fanambadiana. Mety haneho ny fiainan-danitra tokoa ny tokantranonareo. – L, 10, 1894. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal