Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manofana ny zanatsika ho an’i Kristy.

Daty
Alarobia 22 July 2026

"Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin'i Jehôvah, ka dia ho be ny fiadanan'ny zanakao." - Isa. 54:13.

Mofon’aina:
Tokony hampianarina ny ankizy sy ny tanora fa nomena fahaiza-manao izy ireo ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra. Koa tsy maintsy mianatra ny leson'ny fankatoavana izy ireo, satria tsy misy afa-tsy ny fiainam-pankatoavana an-tsitrapo no hahafahan’izy ireo manompo an'Andriamanitra mifanaraka amin'ny fitakiany. (...)

Ny ray aman-dreny izay tena tia an'i Kristy dia ho tia ny zanany ka tsy mampihanta azy, fa hiasa amim-pahendrena hahasoa indrindra azy ireo. Novidina tamin'ny vidiny lafo ireny zanaka ireny. Nanao sorona ny ainy i Kristy hanavotana azy ireo amin'ny faharatsiana. Ny ray aman-dreny izay mankasitraka ny sorona nataon'i Kristy sy ny Rainy ho an'ny taranak'olombelona dia hiara-miasa Aminy, ka hampiasa ny heriny sy ny fahaizany rehetra nohamasinina ho an'ny asa famonjena ny zanany. Tsy hataony toy ny kilalao ny zanany, fa horaisiny toy ny fananan'i Kristy, ary hampianariny azy fa tsy maintsy ho tonga zanak'Andriamanitra izy ireo. Tsy hamela azy hanana toetra ratsy na faniriana feno fitiavan-tena izy ireo, fa hampianariny azy kosa ny leson'ny fifehezan-tena.

 Rehefa miara-miasa ny ray aman-dreny sy ny zanaka ho fanatrarana ny tanjon'Andriamanitra tsara indrindra ho azy ireo, dia hisy hery sy fitahiana tonga eo amin'ny fiainany; ary ho feno fifaliana sy fahafaham-po ny fon'ny ray aman-dreny eo am-pahitana ny vokatry ny ezaka nataony, dia ny zanany mitombo amin'ny fitiavana ny fahamarinana, sy miezaka hanatratra amin'ny fahafenoany ny drafitr'Andriamanitra ho azy. (...)

Rehefa voatarika sy voaofana ny tanora, tamin'ny alalan'ny fanabeazana araka an'Andriamanitra tao an-tokantrano, sy ny herin'ny fotoam-bavaka marain-tsy hariva, ary ny ohatra maharesy lahatra asehon'ny ray aman-dreny tia sy matahotra an'Andriamanitra, dia manjary milefitra amin'Andriamanitra toy ny amin'ny Mpampianatra sy Mpitarika azy, ary vonona hanolotra ho Azy fanompoana izay ankasitrahany. (...) Vonona hanambara amin'izao tontolo izao ny fahasoavana sy ny herin'i Kristy ny tanora toy izany. (...) Tianareo ve ny hanampy ankohonana hafa hampiasa ny talenta nomen'ny Tompo azy ho voninahitr'Andriamanitra? Asehoy eo amin'ny fiainanareo manokana ary ny fanahafana ny endrik'i Kristy. – RH, 5 Oktobra 1911. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal