"Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo."- 2 Kor. 13:5
Mofon’aina:
Ny fampiasan'ny olona iray ireo hery nomen'Andriamanitra azy no mamaritra ny maha-olona azy. (...) Amin'ny fotoana anompoany ny hafa no anakaikezan'ny olona indrindra an'Andriamanitra. Izay mahatoky amin'ireo toetra ambony nomen'Andriamanitra azy dia hitady ny hahasambatra ny namany arnin'izao fiainana izao no sady hanampy azy ireo koa hahazo ny valisoa any amin'ilay fiainana ho avy. (...)
Takiana amin'ny olona ny hitiavany an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra, amin'ny heriny sy ny sainy ary ny tanjany rehetra, ary asaina mitia ny namany tahaka ny tenany koa izy. Tsy ho vitany izany raha tsy manda tena izy. Ny manda tena dia midika hoe mifehy ny saina rehefa mitady hanjaka ny filan-dratsy; manohitra ny fakam-panahy hitsikera sy hanao teny faniniana ny hafa; maneho faharetana amin'ny zaza iray votsa (...); mijoro hamita ny adidy na dia tsy manao izany aza ny hafa; mandray andraikitra amin'ny toerana sy ny fotoana rehetra tokony hanaovana izany; tsy mitady dera na tombontsoa fa noho ny amin'ny Tompo izay nanome asa hataon'ny mpanaraka Azy tsirairay amim-pahatokiana tsy
azo hozongozonina. Ny manda tena dia (...) miasa amim-paharetana sy amim-pifaliana mba hahasoa ny hafa, na dia mety tsy hahazoana sitraka aza ny ezaka atao. (...) Moa ve ny fivavahana no fiambenana eo anoloan'ny vavanao? Moa ye ny fonao mihevitra sy mangoraka ireo izay mila fanampiana? Katsahinao amin'ny fonao marina ye ny hahatakatra bebe kokoa ny sitrapon'Andriamanitra mba hahafahanao maneho ny fahazavana amin'ny hafa? Miteny ho amin'ny fahasoavana ye ianao? Maneho fahamendrehana kristianina ye ny fitondrantenanao? (...)
Tsarovy fa mila miambina sy mivavaka tsy miato ianao. Raha mbola mijery an'i Kristy ianao dia voaro; fa tandindomin-doza lehibe kosa ianao raha vao mitoky amin'ny tenanao.- RH, 11 Jolay 1907.