Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoana fizahan-toetra ny fo

Daty
Talata 04 August 2026

 "Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo."- 2 Kor. 13:5

Mofon’aina:
Ny fampiasan'ny olona iray ireo hery nomen'Andriamanitra azy no mamaritra ny maha-olona azy. (...) Amin'ny fotoana anompoany ny hafa no anakaikezan'ny olona indrindra an'Andriamanitra. Izay mahatoky amin'ireo toetra ambony nomen'Andriamanitra azy dia hitady ny hahasambatra ny namany arnin'izao fiainana izao no sady hanampy azy ireo koa hahazo ny valisoa any amin'ilay fiainana ho avy. (...) 

Takiana amin'ny olona ny hitiavany an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra, amin'ny heriny sy ny sainy ary ny tanjany rehetra, ary asaina mitia ny namany tahaka ny tenany koa izy. Tsy ho vitany izany raha tsy manda tena izy. Ny manda tena dia midika hoe mifehy ny saina rehefa mitady hanjaka ny filan-dratsy; manohitra ny fakam-panahy hitsikera sy hanao teny faniniana ny hafa; maneho faharetana amin'ny zaza iray votsa (...); mijoro hamita ny adidy na dia tsy manao izany aza ny hafa; mandray andraikitra amin'ny toerana sy ny fotoana rehetra tokony hanaovana izany; tsy mitady dera na tombontsoa fa noho ny amin'ny Tompo izay nanome asa hataon'ny mpanaraka Azy tsirairay amim-pahatokiana tsy 
azo hozongozonina. Ny manda tena dia (...) miasa amim-paharetana sy amim-pifaliana mba hahasoa ny hafa, na dia mety tsy hahazoana sitraka aza ny ezaka atao. (...) Moa ve ny fivavahana no fiambenana eo anoloan'ny vavanao? Moa ye ny fonao mihevitra sy mangoraka ireo izay mila fanampiana? Katsahinao amin'ny fonao marina ye ny hahatakatra bebe kokoa ny sitrapon'Andriamanitra mba hahafahanao maneho ny fahazavana amin'ny hafa? Miteny ho amin'ny fahasoavana ye ianao? Maneho fahamendrehana kristianina ye ny fitondrantenanao? (...)

Tsarovy fa mila miambina sy mivavaka tsy miato ianao. Raha mbola mijery an'i Kristy ianao dia voaro; fa tandindomin-doza lehibe kosa ianao raha vao mitoky amin'ny tenanao.- RH, 11 Jolay 1907. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal