"Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra."- Ohab. 16:32
Mofon’aina:
Amin'ny fahatokiana amin-java-madinika no hahatonga antsika ho mpiambina azo itokiana. Tandremo tsara ny fahasosorana madinika, aza avela hanorisory ny fanahinao izany, dia hahazo fandresena maro ianao. Ary rehefa tonga ny fahoriana lehibe kokoa dia ho vonona hiatrika ny fahavalo amin'ny fahasahiana sy fahamendrehana ianao. (...) Ny fanahy tsirairay dia mandova toetra sasany izay tsy mitovy amin'ny an'i Kristy. Asa lehibe sy mendrika mandritra ny androm-piainana ny mifehy ireo fironana mankamin'ny ratsy ireo. Ireo zava-madinika eny amin'ny lalantsika no matetika mahatonga antsika tsy manan-kery hifehy tena.
Raha mbola eto amin'izao tontolo izao isika, dia hifanehatra amin'ny herin'ny fahavalo. Hisy fihantsiana hisedra ny toe-panahintsika, ary ny fanatrehana ireny amin'ny toe-tsaina tsara no mampitombo ny fahasoavana kristianina. Raha mitoetra ao amintsika i Kristy, dia hanam-paharetana isika, halemy fanahy, hanana fahari-po, ho falifaly eo anivon'ny famazivaziana sy ny fanorisorenana. Isan'andro isan'andro (...) dia tokony handresy ny tenantsika isika ka hitombo eo amin'ny toetra ambony sy mendri-kaja; izany no asa nomena antsika; nefa tsy mety ho tanteraka izany raha tsy mist' ny fanampian'i Jesosy, raha tsy miry ny fanapahan-kevitra hentitra, ny fikasana tsy azo hozongozonina, ny fiambenana tsy miato ary ny fivavahana tsy mitsahatra. Manana ady manokana hatao ny tsirairay. (...) Ireo izay manda tsy hiady dia very ny heriny sy ny fifaliany eo amin'ny fandresena.
Tsy ilaintsika ny mitadidy ny fitsapana sy ny zava-tsarotra, ny alahelo sy ny fahoriantsika. Ireny zavatra rehetra ireny dia voasoratra ao amin'ny boky ary ny lanitra no hikarakara ireny.- TMF, t. 325.
Hahatakatra izay mahazo anao Andriamanitra rehefa manokatra ny fonao Aminy ianao.(...) Raha mangataka Aminy ianao dia homeny hery tokoa hanoherana ny ratsy. Hitombo ny finoanao, ary haneho amin'ny hafa ny herin'Andriamanitra miaro ianao.
Loharano tokana ihany no iavian'ny herinao sy ny fitomboanao amin'ny fahasoavana. Rehefa iharan'ny fakam-panahy sy ny fizahan-toetra ianao, dia handresy raha toa mijoro ho an'ny fahamarinana amin-kerim-po (...).- L, 123, 1904.