Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikolokolo flfehezan-tena

Daty
Alarobia 12 August 2026

 "Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra."- Ohab. 16:32

Mofon’aina:
Amin'ny fahatokiana amin-java-madinika no hahatonga antsika ho mpiambina azo itokiana. Tandremo tsara ny fahasosorana madinika, aza avela hanorisory ny fanahinao izany, dia hahazo fandresena maro ianao. Ary rehefa tonga ny fahoriana lehibe kokoa dia ho vonona hiatrika ny fahavalo amin'ny fahasahiana sy fahamendrehana ianao. (...) Ny fanahy tsirairay dia mandova toetra sasany izay tsy mitovy amin'ny an'i Kristy. Asa lehibe sy mendrika mandritra ny androm-piainana ny mifehy ireo fironana mankamin'ny ratsy ireo. Ireo zava-madinika eny amin'ny lalantsika no matetika mahatonga antsika tsy manan-kery hifehy tena.

Raha mbola eto amin'izao tontolo izao isika, dia hifanehatra amin'ny herin'ny fahavalo. Hisy fihantsiana hisedra ny toe-panahintsika, ary ny fanatrehana ireny amin'ny toe-tsaina tsara no mampitombo ny fahasoavana kristianina. Raha mitoetra ao amintsika i Kristy, dia hanam-paharetana isika, halemy fanahy, hanana fahari-po, ho falifaly eo anivon'ny famazivaziana sy ny fanorisorenana. Isan'andro isan'andro (...) dia tokony handresy ny tenantsika isika ka hitombo eo amin'ny toetra ambony sy mendri-kaja; izany no asa nomena antsika; nefa tsy mety ho tanteraka izany raha tsy mist' ny fanampian'i Jesosy, raha tsy miry ny fanapahan-kevitra hentitra, ny fikasana tsy azo hozongozonina, ny fiambenana tsy miato ary ny fivavahana tsy mitsahatra. Manana ady manokana hatao ny tsirairay. (...) Ireo izay manda tsy hiady dia very ny heriny sy ny fifaliany eo amin'ny fandresena.

Tsy ilaintsika ny mitadidy ny fitsapana sy ny zava-tsarotra, ny alahelo sy ny fahoriantsika. Ireny zavatra rehetra ireny dia voasoratra ao amin'ny boky ary ny lanitra no hikarakara ireny.- TMF, t. 325.

Hahatakatra izay mahazo anao Andriamanitra rehefa manokatra ny fonao Aminy ianao.(...) Raha mangataka Aminy ianao dia homeny hery tokoa hanoherana ny ratsy. Hitombo ny finoanao, ary haneho amin'ny hafa ny herin'Andriamanitra miaro ianao.

Loharano tokana ihany no iavian'ny herinao sy ny fitomboanao amin'ny fahasoavana. Rehefa iharan'ny fakam-panahy sy ny fizahan-toetra ianao, dia handresy raha toa mijoro ho an'ny fahamarinana amin-kerim-po (...).- L, 123, 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (64)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal