Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitandremana ny fo

Daty
Alahady 14 April 2024

 "Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy aminy no ihavian'ny aina." - Ohab. 4:23. 

Mofon’Aina:
Tena ilaina indrindra ny fitandremana fatratra ny fo raha tiana ny hitombo tsara amin'ny fahasoavana. Raha ny fo, amin'ny maha-fo ara-nofo azy, dia fitoeran'ny eritreritra tsy masina sy ny faniriana feno fahotana. Raha entina eo ambanin'ny fanapahan'i Kristy izy, dia tsy maintsy diovin'ny Fanahy ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra. Tsy ho vita anefa izany raha tsy manaiky ilay olona. 
Rehefa voadio ny fanahy, dia adidin'ny Kristianina ny mitandrina azy tsy ho voaloto. Maro no toa mihevitra fa tsy mitaky ny fandaozana ireo fahotana fanao isan'andro, na ny fialana amin'ireo fahazaran-dratsy namatotra ny fanahy ny fivavahan'i Kristy. Lavin'izy ireo ny zavatra sasantsasany melohin'ny eritreriny, kanefa tsy vitany ny maneho an'i Kristy eo amin'ny fiainany andavanandro. Tsy hita ao an-tokantranony ny fitoviana amin'i Kristy. Tsy voalanjalanja akory ny teny aloaky ny vavany.. Matetika izy no manao tenim-pahatezerana sy tsy voahevitra, izay manetsika ny filana ratsy indrindra ao amin'ny fon'olombelona. Mila ny fanatrehan'i Kristy mitoetra maharitra ao amin'ny fanahiny ny olona toy izany. Amin'ny herin'i Kristy irery ihany no hahavitan'izy ireo mitandrina ny teniny sy ny fihetsiny. 
Mila mivavaka mandrakariva isika ho fitandremana ny fo, ka tsy sasatra manatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana mangataka fanampiana. Tokony hanatona an'Andriamanitra amin-kafanampo sy fanetren-tena izay mitondra ny anaran'i Kristy (...). Tsy ho afaka mivavaka mandohalika mandrakariva ny Kristianina, kanefa ny eritreriny sy ny faniriany dia azony asandratra hatrany ho any an-danitra. (…) 
Ny famolahana ny eritreritra hisaintsaina ny zavatra any ambony dia hanome aina sy hafanam-po ny ezaka rehetra ataontsika. (...) Tsy mahomby firy isika eo amin'ny ara-panahy. Tombontsoa sady adidin'ny Kristianina ny mampitombo ny fahalalany ny Zanak'Andriamanitra, mandra-pahatonga azy ho "lehilahy lehibe" (Efes. 4:13). — OHC, t. 161. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharattsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny oloko.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 :

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 :
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 :

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal