Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitandremana ny fo

Daty
Alahady 14 April 2024

 "Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy aminy no ihavian'ny aina." - Ohab. 4:23. 

Mofon’Aina:
Tena ilaina indrindra ny fitandremana fatratra ny fo raha tiana ny hitombo tsara amin'ny fahasoavana. Raha ny fo, amin'ny maha-fo ara-nofo azy, dia fitoeran'ny eritreritra tsy masina sy ny faniriana feno fahotana. Raha entina eo ambanin'ny fanapahan'i Kristy izy, dia tsy maintsy diovin'ny Fanahy ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra. Tsy ho vita anefa izany raha tsy manaiky ilay olona. 
Rehefa voadio ny fanahy, dia adidin'ny Kristianina ny mitandrina azy tsy ho voaloto. Maro no toa mihevitra fa tsy mitaky ny fandaozana ireo fahotana fanao isan'andro, na ny fialana amin'ireo fahazaran-dratsy namatotra ny fanahy ny fivavahan'i Kristy. Lavin'izy ireo ny zavatra sasantsasany melohin'ny eritreriny, kanefa tsy vitany ny maneho an'i Kristy eo amin'ny fiainany andavanandro. Tsy hita ao an-tokantranony ny fitoviana amin'i Kristy. Tsy voalanjalanja akory ny teny aloaky ny vavany.. Matetika izy no manao tenim-pahatezerana sy tsy voahevitra, izay manetsika ny filana ratsy indrindra ao amin'ny fon'olombelona. Mila ny fanatrehan'i Kristy mitoetra maharitra ao amin'ny fanahiny ny olona toy izany. Amin'ny herin'i Kristy irery ihany no hahavitan'izy ireo mitandrina ny teniny sy ny fihetsiny. 
Mila mivavaka mandrakariva isika ho fitandremana ny fo, ka tsy sasatra manatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana mangataka fanampiana. Tokony hanatona an'Andriamanitra amin-kafanampo sy fanetren-tena izay mitondra ny anaran'i Kristy (...). Tsy ho afaka mivavaka mandohalika mandrakariva ny Kristianina, kanefa ny eritreriny sy ny faniriany dia azony asandratra hatrany ho any an-danitra. (…) 
Ny famolahana ny eritreritra hisaintsaina ny zavatra any ambony dia hanome aina sy hafanam-po ny ezaka rehetra ataontsika. (...) Tsy mahomby firy isika eo amin'ny ara-panahy. Tombontsoa sady adidin'ny Kristianina ny mampitombo ny fahalalany ny Zanak'Andriamanitra, mandra-pahatonga azy ho "lehilahy lehibe" (Efes. 4:13). — OHC, t. 161. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal