Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatoky amin'ny kely.

Daty
Alahady 23 August 2026

"Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin'ny mpanjaka hanao ny asany."- 1 Tant. 4:23

Mofon’aina:
Irin'ny Tompo ny hanabeazana sy hanofanana ny sain'ny tanora kristianina, mba hahafahan'ny miaramila tanora manao ny ezaka ambony indrindra; saingy tsy azo atao izany raha tsy miara-miasa amin' Ireo anjelin'ny lanitra izy ka manararaotra ny tombontsoa rehetra handraisany fanofanana sy fahalalana mampitombo. Irin'ny Tompo ny hahatonga anao ho mahatoky amin'ny zava-madinika, ka hanao araka izay tsara indrindra mety ho vita ianao eo amin'ny adidinao isan'andro, izay toa kely sy maivan-danja. Tandindomin-doza ianao amin'ny fotoana ahatsapanao fahafaham-po nefa manao asa zara raha vita. Tsarovy fa mendrika ny hatao tsara ny asa izay atao.

Eo akaiky mandrakariva i Satana mba haka fanahy izay olona miasa ho an' Andriamanitra. Hambarany aminy fa tsy mampaninona raha atao an-tsirambina ny asa, satria tsy hisy hahalala izany. Aoka tsy hisy olona ho voafitaka amin' izany tolo-kevitra izany. Ianao ihany mantsy dia efa mahatsapa fa tsy nahatontosa ny adidinao ka ho verinao amin'izany ny fanajanao ny tenanao sy ny fatokisan-tenanao. (...) Ny fanaovanao mosalahy ny asa dia fanazaranao ny tenanao tsy hanatontosa tsara ireo adidy eo amin'ny fiainana (...).-YI, 29 Septambra 1892.

Tsy misy zavatra tsy ilaina ao anatin'ny drafitra napetrak' Andriamanitra ho an'ny Kristianina tsirairay. Misy lesona natao :..anaran' ny tsirairay eo amin'ny fiainana andava-nandro. Mahareta, ary ataony amim-pahatokiana ny asa nampanaovina anao, na dia tsotra sy madinidinika aza izany. Ataovy amim-pilaminana ny asanao ary miantehera amin'ny hery avy amin'Andriamanitra. Aza miahiahy ny amin'ny ampitso. Ampiasao amin'ny fomba tsara indrindra ny fotoana omena anao anio. Aoka hamirapiratra ho an'i Kristy ny fahazavanao anio, na dia eo am-panaovana asa madinika aza. (...) Ny fanaovana amim-pahatokiana ny adidy anio no hanomana anao ho amin'ny asa rahampitso, amin-kerim-po vaovao, ka hanao hoe: "Efa novonjen'i Jehôvah aho hatramin' izao" (1 Sam. 7:12)! Aoka ianao hiambina mandrakariva eo anatrehan'i Jehôvah.-L, 1, 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal