Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatoky amin'ny kely.

Daty
Alahady 23 August 2026

"Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin'ny mpanjaka hanao ny asany."- 1 Tant. 4:23

Mofon’aina:
Irin'ny Tompo ny hanabeazana sy hanofanana ny sain'ny tanora kristianina, mba hahafahan'ny miaramila tanora manao ny ezaka ambony indrindra; saingy tsy azo atao izany raha tsy miara-miasa amin' Ireo anjelin'ny lanitra izy ka manararaotra ny tombontsoa rehetra handraisany fanofanana sy fahalalana mampitombo. Irin'ny Tompo ny hahatonga anao ho mahatoky amin'ny zava-madinika, ka hanao araka izay tsara indrindra mety ho vita ianao eo amin'ny adidinao isan'andro, izay toa kely sy maivan-danja. Tandindomin-doza ianao amin'ny fotoana ahatsapanao fahafaham-po nefa manao asa zara raha vita. Tsarovy fa mendrika ny hatao tsara ny asa izay atao.

Eo akaiky mandrakariva i Satana mba haka fanahy izay olona miasa ho an' Andriamanitra. Hambarany aminy fa tsy mampaninona raha atao an-tsirambina ny asa, satria tsy hisy hahalala izany. Aoka tsy hisy olona ho voafitaka amin' izany tolo-kevitra izany. Ianao ihany mantsy dia efa mahatsapa fa tsy nahatontosa ny adidinao ka ho verinao amin'izany ny fanajanao ny tenanao sy ny fatokisan-tenanao. (...) Ny fanaovanao mosalahy ny asa dia fanazaranao ny tenanao tsy hanatontosa tsara ireo adidy eo amin'ny fiainana (...).-YI, 29 Septambra 1892.

Tsy misy zavatra tsy ilaina ao anatin'ny drafitra napetrak' Andriamanitra ho an'ny Kristianina tsirairay. Misy lesona natao :..anaran' ny tsirairay eo amin'ny fiainana andava-nandro. Mahareta, ary ataony amim-pahatokiana ny asa nampanaovina anao, na dia tsotra sy madinidinika aza izany. Ataovy amim-pilaminana ny asanao ary miantehera amin'ny hery avy amin'Andriamanitra. Aza miahiahy ny amin'ny ampitso. Ampiasao amin'ny fomba tsara indrindra ny fotoana omena anao anio. Aoka hamirapiratra ho an'i Kristy ny fahazavanao anio, na dia eo am-panaovana asa madinika aza. (...) Ny fanaovana amim-pahatokiana ny adidy anio no hanomana anao ho amin'ny asa rahampitso, amin-kerim-po vaovao, ka hanao hoe: "Efa novonjen'i Jehôvah aho hatramin' izao" (1 Sam. 7:12)! Aoka ianao hiambina mandrakariva eo anatrehan'i Jehôvah.-L, 1, 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal