Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .

Daty
Alatsinainy 17 August 2026

Hazavain'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 15:9-19 fa henjana sy mahatahotra ny vokatry ny fandavana ny fisian'ny fitsanganana amin'ny maty. Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty dia tsy manana fanantenana ho an'ny ankehitriny ny mpino ary indrindra moa ho an'ny hoavy.

Vakio ny 1 Kor. 16:9-19. Inona no verintsika raha tsy natsangana tamin'ny maty i Kristy?

Ireo mpanompo sampy fahiny, ankapobeny, dia tsy nino ny fitsanganan'ny maty, indrindra ny tany amin'ny tontolo grika izay nino fa misaraka ny vatana sy ny fanahy (rehefa maty ny olona dia lazaina fa manidina any amin'izay toerana heverina fa handehanan'ny fanahin'ny maty ny fanahiny). Fanontaniana miendrika hailahateny no anombohan'i Paoly ny paragrafy ao amin'ny 1 Kor. 15:12-19, izay maneho ny halalin'ny fahaverezan-keviny manoloana izany: "ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?"- 1 Kor. 15:12. Ho an'i Paoly, dia zavatra tsy azo heverina mihitsy ny tsy finoana ny fitsanganana amin'ny maty, indrindra moa, satria marobe ny vavolombelon'izany mivantana (1 Kor. 15:5-8). Ary ratsy kokoa noho izany aza, raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty dia miorina amin'ny lainga izany ny fanantenan'izy ireo, ary mbola mitoetra ao amin'ny fahotany ihany izy.

Nambaran'i Paoly fa raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty, dia (1) "na dia Kristy aza dia tsy natsangana"- 1 Kor. 15:13, 16); (2) "foana ny tori-teninay"- and. 14; (3) "foana koa ny finoanareo"-and. 14; (4) "dia hita ho vavolombelona mandainga (...) izahay- and. 15; (5) "foana ny finoanareo"- and. 17; (6) "mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo"-and. 17, ary mazava loatra fa (7) "very koa izay efa nodimandry"- 1 Kor. 15:18.

Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty, dia foana ny toriteny ary foana koa ny finoana (1 Kor. 15:14). Ny teny grika nadika hoe "foana" dia kenos. Tsy diso izany dikanteny izany, saingy malalaka loatra ny heviny. Mampiady hevitra ireo mpandika teny ny hevitry ny hoe kenos, mety midika hoe "foana" izany, izany hoe tsy ahitana fahamarinana ("tsy marina"), nefa koa azo adika ho tsy fisian'ny vokatra (izany hoe "tsy misy vokany") na tsy misy antony (izany hoe, "tsy misy heviny").

Na inona na inona hevitr'io teny io manokana, ao anatin'ny tontolon-kevitra izay tsy isian'ny fitsanganan'ny maty, dia aseho ho toy ny tsinontsinona ny finoana, avy amin'ny teny grika mataios (1 Kor. 15:17). Na dia tsy mifanalavitra amin'ny kenos aza ny hevitry ny mataios, dia izao no tiany hambara: raha tsy velona i Jesôsy , dia zava-poana ihany ny finoana, satria tsy voavela ny helotsika (1 Kor. 15:17). Amin'izay dia ho vavolombelona mandainga isika, izay sady mamitaka no voafitaka (1 Kor. 15:15).

Ahoana no ahazoana tsara ny hevitry ny 1 Kor. 15 raha toa ny maty manidina ho any an-danitra (na ho any amin'ny helo) avy hatrany? Nahoana àry no zava-dehibe tokoa ny fampianarana milaza fa matory ny maty?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal