Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .

Daty
Alatsinainy 17 August 2026

Hazavain'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 15:9-19 fa henjana sy mahatahotra ny vokatry ny fandavana ny fisian'ny fitsanganana amin'ny maty. Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty dia tsy manana fanantenana ho an'ny ankehitriny ny mpino ary indrindra moa ho an'ny hoavy.

Vakio ny 1 Kor. 16:9-19. Inona no verintsika raha tsy natsangana tamin'ny maty i Kristy?

Ireo mpanompo sampy fahiny, ankapobeny, dia tsy nino ny fitsanganan'ny maty, indrindra ny tany amin'ny tontolo grika izay nino fa misaraka ny vatana sy ny fanahy (rehefa maty ny olona dia lazaina fa manidina any amin'izay toerana heverina fa handehanan'ny fanahin'ny maty ny fanahiny). Fanontaniana miendrika hailahateny no anombohan'i Paoly ny paragrafy ao amin'ny 1 Kor. 15:12-19, izay maneho ny halalin'ny fahaverezan-keviny manoloana izany: "ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?"- 1 Kor. 15:12. Ho an'i Paoly, dia zavatra tsy azo heverina mihitsy ny tsy finoana ny fitsanganana amin'ny maty, indrindra moa, satria marobe ny vavolombelon'izany mivantana (1 Kor. 15:5-8). Ary ratsy kokoa noho izany aza, raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty dia miorina amin'ny lainga izany ny fanantenan'izy ireo, ary mbola mitoetra ao amin'ny fahotany ihany izy.

Nambaran'i Paoly fa raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty, dia (1) "na dia Kristy aza dia tsy natsangana"- 1 Kor. 15:13, 16); (2) "foana ny tori-teninay"- and. 14; (3) "foana koa ny finoanareo"-and. 14; (4) "dia hita ho vavolombelona mandainga (...) izahay- and. 15; (5) "foana ny finoanareo"- and. 17; (6) "mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo"-and. 17, ary mazava loatra fa (7) "very koa izay efa nodimandry"- 1 Kor. 15:18.

Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty, dia foana ny toriteny ary foana koa ny finoana (1 Kor. 15:14). Ny teny grika nadika hoe "foana" dia kenos. Tsy diso izany dikanteny izany, saingy malalaka loatra ny heviny. Mampiady hevitra ireo mpandika teny ny hevitry ny hoe kenos, mety midika hoe "foana" izany, izany hoe tsy ahitana fahamarinana ("tsy marina"), nefa koa azo adika ho tsy fisian'ny vokatra (izany hoe "tsy misy vokany") na tsy misy antony (izany hoe, "tsy misy heviny").

Na inona na inona hevitr'io teny io manokana, ao anatin'ny tontolon-kevitra izay tsy isian'ny fitsanganan'ny maty, dia aseho ho toy ny tsinontsinona ny finoana, avy amin'ny teny grika mataios (1 Kor. 15:17). Na dia tsy mifanalavitra amin'ny kenos aza ny hevitry ny mataios, dia izao no tiany hambara: raha tsy velona i Jesôsy , dia zava-poana ihany ny finoana, satria tsy voavela ny helotsika (1 Kor. 15:17). Amin'izay dia ho vavolombelona mandainga isika, izay sady mamitaka no voafitaka (1 Kor. 15:15).

Ahoana no ahazoana tsara ny hevitry ny 1 Kor. 15 raha toa ny maty manidina ho any an-danitra (na ho any amin'ny helo) avy hatrany? Nahoana àry no zava-dehibe tokoa ny fampianarana milaza fa matory ny maty?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal