Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Kor. 8:9; Rôm. 16:20; 1 Jao. 4:8-11; 2 Kor. 13:11; Fil. 2:1,2; Gal. 4:4-6.
Tsianjery
"Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina." -2 Kor. 13:14.
Ny 2 Kor. tamin'ny ofaranan'i Paoly ny fanasongadinana indray ireo hevitra fototra novelabelariny tao amin'ireo epistiliny. Tamin'ny alalan'ny baiko dimy no nanaovany izany (2 Kor. 13:11).
Ny baiko voalohany, «Mifalia», dia mampahatsiahy ireo andalan-teny teo aloha ao amin'ireo epistily.
Ny baiko faharoa, «aoka ho tanteraka hianareo», dia nadika avy amin'ny teny grika tokana (katartiző), izay hita eto sy ao amin'ny 1 Kor. 1:10.
Ny fahatelo, «mandraisa fampiononana», dia mamerina ny voalazan'ny 2 Kor. 1:3-7. Nanomboka sy namarana ny epistiliny faharoa tamin'ny fampiononana i Paoly. Mandray ny fampiononan'Andriamanitra isika mba hahafahan-tsika mampionona ny hafa (2 Kor. 1:4,6).
Ny baiko fahefatra sy fahadimy, «Miraisa saina, mihavana» (2 Kor. 13:11), dia antso ho amin'ny firaisan-kina. Ireo dimy ireo no fepetra hisian'ny fanatrehan'Andriamanitra, dia Ilay «Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana» (2 Kor. 13:11, ESV). Izany dia vokatry ny asan'Andriamanitra Telo Izay Iray ao am-pon'ny olombelona (2 Kor. 13:14).
Ny fahasoavana, ny fitiavana, ary ny firaisana dia vokatry ny asan'Andriamanitra Telo Izay Iray ho antsika. Ireo toetra kristianina telo ireo no miteraka rivo-piainana izay misy ny fanatrehan'Andriamanitra.