Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lehibe eo imason'Andriamanitra

Daty
Zoma 19 April 2024

"Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; fa izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be." - Lio. 16:10.

Mofon’Aina:
Tsy ny zavatra goavana ihany no mandrafitra fiainana, fa ny zavatra madinidinika maro no mitambatambatra ka mahatonga ny fiainana ho fahasambarana na fijaliana. Ny zavatra bitika eo amin'ny fiainana no maneho ny tena toetran'ny olona iray. Oh, raha mba hitan'ny tanora sy ny olon-dehibe tahaka ny nahitako azy mantsy ny mombamomba ny fiainan'ny olona, dia ho amim-pahamatorana kokoa no hitandremany na dia ny adidy bitika indrindra eo amin'ny fiainana aza. Ny fahadisoana sy ny tsy mety rehetra, na heverina ho tsy misy dikany toy inona aza, dia mamela holatra eo amin'ny fiainana, ary manapentina ny boky firaketan'ny lanitra, na kely monja aza. Adidy maro tsy mahafinaritra no mameno ny fiainana, kanefa ireny asa manorisory ireny dia hanjary mahafinaritra rehefa atao amim-pifaliana satria izany no tsara sy mety. Ny fahazotoana manatanteraka adidy tsy maintsy hatao, sy ny fiezahana mba hanao izany amin'ny fo tokoa, dia hanova ny asa farany izay mahasorena indrindra, ho asa tena mahafinaritra. 
Maro no manao ambanin-javatra ireo zava-madinidinika eo amin'ny fiainana, ny raharaha kely izay tokony hatao isan'andro isan'andro. Kanefa tsy azontsika raisina ho zavatra kely ireny, satria ny fihetsika tsirairay atao dia na hitondra fitahiana na hitondra ratra ho an'ny olona. Samy manana ny tantarany avy ny fihetsika tsirairay, izay tonga hatreo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Fantatra izany na isan'ny tsara na isan'ny ratsy. Ny fanarahana ireo fitsipiky ny Tenin'Andriamanitra ihany, eo amin'ny zava-madinidinika rehetra eo amin'ny fiainana, no hahatonga ny tenantsika ho isan'ny olona tsara sy marina. Tsapaina sy zahan-toetra amin'ny alalan'ireny isika; ary tombanana araka ny asantsika ny toetrantsika. 
Ny fitandremantsika fatratra amin'ireo fihetsika izay lazain'izao tontolo izao fa bitika, no hitondra hatsarana sy fahombiazana lehibe eo amin'ny fiainana.
Fihetsika kely maneho fitiavana, teny kely maneho hatsaram-panahy, fihetsika kely maneho fandavan-tena, fampiasana amin'ny fomba hendry ireo fotoana mety ananana, fampiasana amim-pahazotoana ireo talenta kely ananantsika, ireo no hahitana ny olona ho lehibe eo imason'Andriamanitra. -OHC, t. 227.  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal