Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lehibe eo imason'Andriamanitra

Daty
Zoma 19 April 2024

"Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; fa izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be." - Lio. 16:10.

Mofon’Aina:
Tsy ny zavatra goavana ihany no mandrafitra fiainana, fa ny zavatra madinidinika maro no mitambatambatra ka mahatonga ny fiainana ho fahasambarana na fijaliana. Ny zavatra bitika eo amin'ny fiainana no maneho ny tena toetran'ny olona iray. Oh, raha mba hitan'ny tanora sy ny olon-dehibe tahaka ny nahitako azy mantsy ny mombamomba ny fiainan'ny olona, dia ho amim-pahamatorana kokoa no hitandremany na dia ny adidy bitika indrindra eo amin'ny fiainana aza. Ny fahadisoana sy ny tsy mety rehetra, na heverina ho tsy misy dikany toy inona aza, dia mamela holatra eo amin'ny fiainana, ary manapentina ny boky firaketan'ny lanitra, na kely monja aza. Adidy maro tsy mahafinaritra no mameno ny fiainana, kanefa ireny asa manorisory ireny dia hanjary mahafinaritra rehefa atao amim-pifaliana satria izany no tsara sy mety. Ny fahazotoana manatanteraka adidy tsy maintsy hatao, sy ny fiezahana mba hanao izany amin'ny fo tokoa, dia hanova ny asa farany izay mahasorena indrindra, ho asa tena mahafinaritra. 
Maro no manao ambanin-javatra ireo zava-madinidinika eo amin'ny fiainana, ny raharaha kely izay tokony hatao isan'andro isan'andro. Kanefa tsy azontsika raisina ho zavatra kely ireny, satria ny fihetsika tsirairay atao dia na hitondra fitahiana na hitondra ratra ho an'ny olona. Samy manana ny tantarany avy ny fihetsika tsirairay, izay tonga hatreo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Fantatra izany na isan'ny tsara na isan'ny ratsy. Ny fanarahana ireo fitsipiky ny Tenin'Andriamanitra ihany, eo amin'ny zava-madinidinika rehetra eo amin'ny fiainana, no hahatonga ny tenantsika ho isan'ny olona tsara sy marina. Tsapaina sy zahan-toetra amin'ny alalan'ireny isika; ary tombanana araka ny asantsika ny toetrantsika. 
Ny fitandremantsika fatratra amin'ireo fihetsika izay lazain'izao tontolo izao fa bitika, no hitondra hatsarana sy fahombiazana lehibe eo amin'ny fiainana.
Fihetsika kely maneho fitiavana, teny kely maneho hatsaram-panahy, fihetsika kely maneho fandavan-tena, fampiasana amin'ny fomba hendry ireo fotoana mety ananana, fampiasana amim-pahazotoana ireo talenta kely ananantsika, ireo no hahitana ny olona ho lehibe eo imason'Andriamanitra. -OHC, t. 227.  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal