Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitondra ny anarany amim-pahatokiana

Daty
Talata 06 October 2026

"Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an 'I Kristy" - Gal. 3:27.

Mofon’aina:
Ireo izay mitondra ny anarana hoe Kristianina dia manolo-tena ho mahatoky amin'Andriamanitra. Mifamatotra Aminy sy ireo anjely any an-danitra toy ny fianakaviana fray izy ireo. (...) Izay rehetra ataony, amin'ny lafiny rehetra, dia tokony ho mendrika ny olona masina. Tsy maintsy esorina izay tsy mendrika rehetra. (...)

Aoka hankatò ny baikon'ny Kapiteninao ianao, toy ny miaramila be herim-po, na mety hamoizanao ny ainao aza izany. (...) Koa ankehitriny, aoka hotandremanao fatratra ny sainao sy ny tenanao, satria an'i Kristy ireo. Kolokoloy hihatsara isan'andro izany, mba ho hitan'ireo anjely manara-maso any an-danitra fa tsy very maim ny nahafatesan'i Kristy ho anao.

Tamin'ny fotoana nanekenao hitondra try anarana hoe Kristianina, dia nanome toky ianao fa hiomana eto amin'ity fiainana ity ho amin'ilay fiainana ambony kokoa any amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Ny hoe Kristianina dia midika hoe tahaka an'i Kristy. Tsy tokony hahitana toetran'i Satana na eo amin'ny saina na eo amin'ny vatana, fa hatsaran-tarehy, fahadiovana, fahatokiana ary fahamendrehana kosa. Raiso ho modely ho anao ny fiainan'i Kristy. Saintsaino mandrakariva ny mandrakizay. (...)

 Aoka ireo izay miasa ho an'i Kristy hihazona ny foto-keviny ho madio. Aoka ny fiainany tsy ho voaloton'ny fanao ratsy, na inona na inona. Maniry sy miasa ho famerenana ny endrik'Andriamanitra ara-moraly eo amin'ny olombelona ny lanitra manontolo (...). Irin'Andriamanitra sy ireo anjely masina fatratra ny hahatraran'ny olombelona ny fenitry ny fahatanterahana, izay ho amin'izany no nahatongavan'i Kristy ho faty teto. Tiany ho iray ao amin'i Kristy sy ho tanteraka ao Aminy isika, ho mpandova ny lanitra; nefa navela hisafidy isika. Miantso antsika Andriamanitra mba hanao safidy tsara, hifandray amin'ny tafiky ny lanitra, hampihatra ireo foto-kevitra mamelona sy manasitrana, izay hamerina eo amintsika flay endrik'Andriamanitra izay nanjavona noho ny tsy fankatoavana. rehefa iainantsika. amim-pinoana ireo foto-kevitra mampiavaka ny fiainan'i Kristy, dia ho loharano miboiboika ho fiainana mandrakizay ho an'ny fanahiny izany. — L, 21, 1901. 

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal