Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifandray sy mifampiankina

Daty
Alarobia 07 October 2026

"Ary raha mijaly ny anankiray momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin 'ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena. Ary hianareo no tenon i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy. " - 1 Kôr. 12:26,27.

Mofon’aina:
Raha ny drafitry ny Tompo dia natao hifanohana ny olombelona. Samy nanankinan'Andriamanitra talenta ny olona tsirairay, izay natao hampiasaina hanampiana ny hafa handeha eo aminy lalareny fahamarinana. Fo am-panaovantsika asa fanompoana tsy misy fitiavan-tena ho an'ny hafa no mihatsara sy mitombo ny talentantsika.

Tahaka ireo kojakoja samy hafa amin'ny milina iray, dia mifandray akaiky ny olona rehetra, ary samy rniankina amin'ny Ivo lehibe iray. Natao hisy firaisana ao anatin'ny fahasamihafana. Tsy misy mpikambana ao arnin'ny orinasan'i Kristy mety hahomby raha miasa key. Natao hiasa eo ambany fitarihan'Andriamanitra ny tsirairay; natao hampiasa ny fahaiza-manaony hoenti-manompo Azy ny rehetra, mba sarny ho afaka hiasa ho fanatanterahana ny tena manontolo ny tsirairay. (...)

 Izay mitonona ho Kristianina dia tokony handini-tena raha tsara fanahy sy mitsinjo ny namany araka ny tiany hitondran'ny namany azy koa izy. (...) Nampianatra i Kristy fa tsy tokony hisy fiantraikany amin'ny fomba fifandraisantsika na ny saranga na ny harena. Mpiray tampo ny olona rehetra eo imason'ny lanitra. (...) Noforonin'Andriamanttra hitovy ny olombelona; tsy mizaha tavan'olona Izy. Ny hatsaran'ny toetrany no anombanany ny olona.

Ny fananana ny toe-panahy araka an'Andriamanitra marina dia midika hoe: mifankatia, mifanampy, ary mampiseho ny fivavahan'i Jesosy eo arnin'ny fiainantsika. Tokony ho fantsona masina isika izay iampitan'ny fitiavan'i Kristy mankany amin'izay mita vonjy. (...) Izay miezaka indrindra hankatù ny lalàn'Andriarnanitra no hanompo an'Andriamanitra indrindra. Izay manaraka an'i Kristy, ka mikatsaka hanana ny fahatsaram-pony, ny fangorahany, ary ny fitiavany ny taranak'olombelona, dia heken'Andriamanitra ho mpiara-miasa Aminy. (...)

Rehefa mifaneho hatsaram-panahy sy mifankatia ny vahoakan'Andriamanitra, dia ho tsapany fa eo ambanin'ny fanevan'ny fitiavany izy ireo, ary ho mamy ho azy ireo izany. Hanomboka sahady ety an-tany ny lanitra. — RH, 13 Mey 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal