Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Mifankatiava tsara"

Daty
Talata 13 October 2026

"Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa ny fitiavana manarona fahotana maro." - 1 Pet. 4:8.

Mofon’aina:
Ny mpanaraka an'i Kristy dia tsy haneho toetra ratsy sy feno fitiavan-tena, fa amin'ny teny, ny fanahy ary ny asa no hanehoany ny fahalemem-panahin'i Kristy. (...) Tsy avy amin'Andriamanitra ny fanahy tia manjakazaka sy mampahory, na ambany toy inona aza ny toerana misy ilay olona, na mpino izy na tsy mpino. Natao ho solontenan'i Kristy ny Kristianina amin'ny fifandraisany rehetra amin'ireo nanoloran'i Jesosy ny ainy sarobidy. (...)

 Izay mibanjina mandrakariva an'i Kristy dia haneho izany miharihary eo amin'ny toetrany, ny teniny, ary ny fitondrantenany. Tsy hanery olona izy, na hanosika ireo fanahy mandalo fitsapana ho amin'ny fakam-panahy mafy kokoa, na hamela azy ireo fotsiny eo amin'ny sahan'adin'i Satana. Hanatsotra ny tanany izy mba hanampy ary hiezaka hitarika ny fanahy hisandratra sy hanatona ny lanitra. Amin'ny maha mpiara-miasa amin'Andriamanitra azy, dia hataon'izy ireo izay hampiorina mafy ny tongotr'ireo izay iharan'ny fakam-panahy eo ambonin'Ilay Vatolampy Mandrakizay. (...) Tsy misy fetra ny fitiavan'i Kristy be famindrampo. (...)Aoka hataontsika  tsapan'ireo izay tandindomin-doza fa tia azy ireo isika, ary tsy hamela azy ireo amin'izao. Aoka isika hiresaka aminy, hiara-mivavaka aminy, ary hananatra azy am-pitiavana. (...)

Natao hifehy ny fitondrantenan'ny olona tsirairay izay mino marina an'i Kristy ny fivavahan'ny Baiboly. Ny Baiboly no tokony hitarika antsika eo amin'ny raharahantsika andavanandro. Mety hitonona ho mpanara-dia an'i Kristy isika, nefa raha tsy mpankatô ny Teniny isika, dia ho tahaka ny vola sandoka, tsy manana ilay toetra mampiavaka ny marina. Ankohonana iray ny taranak'olombelona. Manana adidy amin'Andriamanitra isika ho tia Azy, haneho izany amin'ny fihetsika sy ny tenintsika. Manana adidy amin'ny olona rehetra ao amin'io ankohonantsika io isika, na inona na inona fihodirany, na ambony izy na ambany, hitondra azy am-pahalemem-panahy sy hihevitra izay hamonjena ny fanahiny. Mpiray tampo isika rehetra. (…)

 Ankohonana novidiny tamin'ny rany isika. Sarobidy eo imasony ny fanahy tsirairay, sarobidy noho ny tena volamena tsara avy any Ofira aza. — L, 16a, 1895. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal