"Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra." - Mat. 5:16.
Mofon'aina:
Eo am-pitondrana jiro ao anatin'ny haizin'ny alina mba hitsilovana ny dian'ny hafa, dia matetika ny mpitondra fahazavana no tsy mitandrina ka mankeo anelanelan'ny fahazavana sy ireo olona tarihiny. Araka izany, takonany ny fahazavana tokony ho tombontsoan'izay manaraka azy. (...) Mampiseho ny fitadiavany tombontsoa ho an'ny tenany izy ireo, maneho tsy fanoloran-tena, fahadisoana, kileman-toetra, izay misy fiantraikany amin'ny asany rehetra sy manasongadina ny tenany feno haizina, ka tsy mahita soa avy amin'ny fahamarinana izay lazainy fa inoany ny olona.
Aoka havela hamirapiratra ny fahazavan'ny fahamarinana mba ho hitan'ny olona fa misy hery ao anatin'ny fahamarinana. Jereny mantsy ny fitondrantena tsaran'ireo izay mahalala izany ka hitany fa asa lehibe tokoa no vitan'ny fahamarinana ho an'izay nandray azy. Ho raiki-pitia amin'ireo foto-kevitry ny fahamarinana izy ireo (...), ka hanaiky ny fahamarinana sy hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny fanoloran-tena ho Azy mba ho tonga fahazavana ho an' izao tontolo izao koa. — Ms, 63, 1912.
Tahaka an'i Abrahama sy ireo olona masina hafa fahiny, izay fahazavana tamin'ny androny, dia tsy maintsy ho fahazavana eo amin'izao tontolo izao koa ny vahoakan'Andriamanitra. Tsy maintsy hita taratra eo amintsika ny tam-pahazavana kanto sy maninton'ny lanitra, izay mampiseho ny hany lalana tsara sy marina, ary maneho mandrakariva ny fahambonian'ny lalan'Andriamanitra noho ny didin'olombelona rehetra. Tsy natao hafenina ao amin'ny maizina ny fivavahana ara-Baiboly. Natao hodinihina sy hozahan-toetra mihitsy aza izany. Ny tara-pahazavana vaovao tsirairay izay manazava ny lalantsika dia singa vaovao manome hery sy tanjaka, araka ny drafiteAndriamanitra, mba hitaomana izao tontolo izao ho eo amin'Andriamanitra. — YI, 4 Marsa 1897.
Hoy i Kristy: «Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao.» I Kristy no Ioharanon'ny fahazavana sy ny hery ho an'ny fiangonany. Raha madio sy mahitsy ny fo, ka feno fitiavana an'Andriamanitra, dia hiseho eo amin'ny fiainana izany, (...) eo amin'ny fiteny sy ny fifandraisan'ny olona amin'ny mpiara-belona aminy. Ho mpankato ny tenin'i Kristy izy. —Ms, 104, 1898.