"Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia hianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah."- Sal. 31:24.
Mofon'aina:
Tsy manam-petra ny haren'ny lanitra, ary eo am-pelatanantsika avokoa izany. (...) Moa ve tsy atao eo anoloan'ny mpanara-dia an'i Kristy ireo toetra ambony indrindra tokony hovolavolaina sy ireo voninahi-dehibe indrindra tokony ho azo? Miantso azy ireo Andriamanitra handray anjara amin'ny hazakazaka izay ahafahan'ny rehetra mandresy. Miantso azy ireo Izy hiditra an-tsehatra amin'ny ady iray izay ahafahan'ny rehetra mandresy. Akanjom-pahamarinana sy satroboninahitry ny fiainana mandrakizay no valisoa apetraka eo anoloan' izay mandresy.
Ireo mponin'ny lanitra dia manantena ireo mpanara-dia an'i Kristy mba hamirapiratra tahaka ny fahazavana eo amin'izao tontolo izao. Tokony haneho ny herin'ilay fahasoavana izay nahafatesan'i Kristy mba homena ny olombelona izy ireo. Manantena Andriamanitra fa ireo izay mitonona ho Kristianina dia hampiseho eo amin'ny fiainany ny fivelaran'ny fivavahana kristianina amin'ny ambaratonga ambony indrindra. Izy ireo no ekena ho solontenan'i Kristy. Tokony hiseho eo amin'ny asany fa zava-misy tokoa ny fivavahana kristianina. (...)
Miantso olona manana herim-po tsy azo hozongozonina Andriamanitra, olona be fanantenana sy finoana ary fitokiana, izay mifaly amin'ny fieritreretana ny fandresena farany ka tsy manaiky ho voasakantsakan'ny zava-tsarotra. Izay mifikitra mafy amin'ny foto-kevitry ny fahamarinana dia manana antoka fa ireo lafiny malemy indrindra amin'ny toetrany dia mety ho tonga lafiny matanjaka indrindra. Eo akaikin'izay miezaka hampifandrindra ny fiainany amin'Andriamanitra sy ny lalany masina ny anjelin'ny lanitra. (...) Manohitra ny fakam-panahy rehetra izy ary mijoro eo anatrehan'ny fanoherana rehetra. Amin'ny alalan'ny hery avy any ambony no hamehezany ireo filana sy fironana izay hitondra azy ho amin'ny faharesena raha avelany hifehy azy. (...)
Koa nahoana ary ireo izay miady amin'ny herin'ny maizina no tsy mandroso amim-pinoana sy amin-kerim-po? Miandany aminy Andriamanitra sy i Kristy ary ny Fanahy Masina. (...) Aoka ireo izay mijoro eo ambanin'ny faneva voapentin-dran'ny Andriana Imanoela tsy hanao izay hanalam-baraka ny antony iadiany. Antenain'i Kristy mba ho be herim-po sy mahatoky ary marina ny miaramilany.- RH, 18 Febroary 1904.