"Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an 'Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian 'ny andron 'Andriamanitra."- 2 Pet. 3:11,12.
Mofon'aina:
Andriamanitra dia manantena ireo Plizay mitondra ny anaran'i Kristy mba haneho Azy amin'ny fisainana sy ny teny ary ny asa. Tokony ho madio ny eritreriny, ary tokony ho mendrika sy manandratra ny teniny sy ny asany, ka hitaona ireo manodidina azy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. (...) Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia napetraka manokana eto amin'izao tontolo izao ho mpiambina sy mpitondra fahazavana. Nankinina amin'izy ireo ny hafa-pamindrampo farany ho an' ny tontolo iray andalam-pahaverezana. Fahazavana mahatalanjona avy amin'ny Tenin'Andriamanitra no mamirapiratra eo amin'izy ireo. Koa olona tokony hanao ahoana moa izy ireo?
Tokony haneho fitomboana ara-panahy tsy miato ny fiainantsika. Kanefa mampangovitra ahy izay hitako: lehilahy sy vehivavy tsy mitombo amin'ny toetra, manana ny Tenin'Andriamanitra izay manambara aminy ny tokony hataony mba hovonjena izy, nefa mbola tsy nandray fanamasinana ary tsy masina. (...)
Tokony hiasa lalindalina kokoa ao am-pon'ny vahoakan'Andriamanitra ny fahasoavana. Tokony hihena ny "izaho" fa i Kristy no ho hita bebe kokoa eo amintsika. Ho tonga amin'ny rehetra ny fizahan-toetra akaiky sy henjana. Tsy maintsy mifamatotra amin'izay ataontsika sy lazaintsika rehetra ny fivavahan'ny Baiboly. (...)
Ry anadahiko sy rahavaviko, mananatra anareo aho mba hiomana ho amin'ny fiavian'i Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra. Esory isan'andro ao am-ponareo ny fitiavana izao tontolo izao. Fantaro amin'ny alalan'ny fanandramana manokana ny dikan'ny fiombonana amin'i Kristy. Miomana ho amin'ny fitsarana, koa rehefa ho avy i Kristy ka hankalazaina ao amin'izay rehetra mino Azy, dia ho isan'ireo izay hitsena Azy amim-piadanana ianareo. Amin'izany andro izany dia hamirapiratra ao amin'ny voninahitry ny Ray sy ny Zanaka ireo voavotra. (...) Hanakoako ny hiram-pandresena ka hameno ny lanitra manontolo. Nandresy i Kristy. Miditra ao amin'ny lapan'ny lanitra Izy, miaraka amin'ireo voavotra, izay vavolombelona fa tsy very mama ny iraka nampanaovina Azy, izay feno fijaliana sy fahafoizan-tena.- RH, 23 Novambra 1905.