Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitahiana hiatrehana ny fahamehana rehetra.

Daty
Alarobia 08 May 2024

"Hataontsika ahoana no fandositra raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafisin'izay nandre tamintsika kosa." - Heb. 2:3. 

Mofon'Aina:
Tsy nisy navelan'Ilay Tompon'ny famonjena avy an-danitra hisy tomika ny drafitra; tonga lafatra avokoa ny dingana rehetra ao anatin' izany. Navela holanjain' i Jesôsy ny fahotan'izao rehetra izao, ary nomen'Andriamanitra ny tombambidy ambony indrindra ny fahorian'ny olombelona tao amin'i Jesôsy mba hahazoan' izao tontolo izao famelan-keloka amin'ny alalan'ny finoana ilay Mpisolo. Aoka izay meloka indrindra tsy hatahotra fandrao tsy hamela ny fahotany Andriamanitra, satria ny fahombiazan'ny sorona ataon'Andriamanitra no hanafoa-nana ny famaizan'ny lalàna. (...)

Endrey! Mahatalanjona tokoa ny drafi-panavotana ao amin'ny fahatsorany sy ny fahatanterahany! Tsy mitondra famelana feno ho an'ny mpanota fotsiny izany fa mamerina amin'ny laoniny ny mpandika lalàna ary manao lalana hahafahana mandray azy ho zanak'Andriamanitra. Amin'ny alalan'ny fankatoavana no hahafahany ho tonga manam-pitiavana sy fiadanana ary fifaliana. Ny finoany no afaka mampikambana azy amin'i Kristy na dia ao anatin'ny fahalemeny aza; i Kristy, ilay loharanon'ny hery avy any an-danitra. Ary amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy no hahitany sitraka eo imason'Andriamanitra, satria efa namaly ny fitakian'ny lalàna i Kristy ary efa nampitafy ny Fahamarinany amin'ilay fanahy mino izay mibebaka. (...) 

Fitiavana manao ahoana re izany! Fitiavana mahatalanjona no nasehon'ilay Zanak'Andriamanitra! (...) Alain’ i Kristy avy any amin'ny toerana ambany indrindra ny mpanota ka dioviny sy asandrany. Rehefa mibanjina an'i Jesôsy amin'ny maha-Izy Azy ny mpanota dia voaova sy voasandratra ho amin'ny fahamendrehana faratampony, eny ho eo amin'ny fipetrahan'i Kristy eo amin'ny seza fiandrianany mihitsy aza. (...) Ny drafi-panavotana no antoka hiatrehana ny fahamehana rehetra sy izay rehetra mety ilain'ny fanahy. Raha toa izany misy tsiny dia ho nanana fialan-tsiny ny mpanota amin'ny fanaovany an-tsirambina ny fanarahana ny fitsipiny, kanefa ilay Andriamanitra mandrakizay dia mahalala izay rehetra ilain'ny olombelona, ary fitahiana mitafotafo no nomena mba hanohanana ny zavatra ilaintsika rehetra. (...)

Inona ary no azon'ny mpanota lazaina amin'ny andro Iehiben'ny fitsarana farany ho fialan-tsiny noho ny fanaovany an-tsirambina ny famonjena natolotra azy? - TMK, t. 96. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal