Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana manadio ny fiainana.

Daty
Alakamisy 09 May 2024

"Fa hianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an 'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazony ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro."- 1 Tim. 6:11,12.

Mofon'Aina:
Olona maro no mampianatra fa ny finoana an'i Jesôsy irery ihany dia ampy hahazoana famonjena; inona anefa no ambaran'ny tenin'ny fahamarinana? "Maty (...) ny finoana, raha tsy misy asa." - Jak. 2:26. Tokony hiady ny ady tsaran'ny finoana isika ary hihazona ny fiainana mandrakizay, handray ny hazo fijaliana, handa ny tena, hiady amin'ny nofo, ary hanaraka isan'andro ny dian-tongotr'ilay Mpanavotra. (...) Fahadisoana mampidi-doza ny fiheverana fa tsy misy na inona na inona tokony hatao mba hahazoana famonjena. Tokony hiara-miasa amin'ny lanitra ianao. (...) 

Misy hazo fijaliana tokony holanjaina eo an-dalana, misy manda tokony harodana vao ho tafiditra ao amin'ilay tanana mandrakizay, misy tohatra tokony hiakarana vao ho tratra ilay vavahady vatosoa, ary rehefa mahatsapa ny tsy fahafahanao manoatra sy ny fahalemenao ianao ka mitalaho fanampiana dia hisy feo avy any an-danitra ho renao avy eo amin'ny lapan'ny lanitra manao hoe: "aoka hifikitra amin'ny heriko" ianao (Isa. 27:5). (...)

(...) Ny zava-manintona mifono fitaka miafina indrindra no ampiasain'ilay ratsy mba hamiliana ny fahatokian' ireo izay mahatoky amin'ny Lanitra. Aoka anefa haompantsika ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra ny herintsika rehetra dia ho voaro tsy ho latsaka ao amin'ny fandriky ny fahavalo isika. (...) 

Izay asa mampahaosa ny herim-batanao sy ny herin-tsainao dia mahatonga anao tsy ho vonona hanompo ilay Mpamorona anao. Tokony ho tia an'Andriamanitra amin'ny fontsika rehetra isika, ary raha tsy mifantoka afa-tsy amin'ny Voninahiny isika dia hihinana sy hisotro ary hitafy araka ny Sitrapony. Izay rehetra mahatsapa ny hevitry ny maha-Kristianina dia hanadio ny tenany ho afaka amin'ny zavatra rehetra izay mandemy sy mandoto. Ny fahazarana rehetra eto amin'ity fiainana ity dia hampifanarahany amin'ireo fitakian'ny Tenin'ny fahamarinana, ary tsy hino fotsiny izy fa hiasa amin-tahotra sy hovitra mba hahatanteraka ny famonjena ny tenany sady milefitra amin'ny famolavolan'ny Fanahy Masina. - TMK, t. 115. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal