Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manala sarona ireo fanavotana

Daty
Alakamisy 16 May 2024

"Dia nanokatra ny sain'ireo izy hahalala ny Soratra Masina." - Lio. 24:45.

Mofon'Aina:
Irin'ny Tompo ny hananan'ny tsirairay avy amintsika fanandramana lalina sy tsara kokoa mikasika ny fahalalana ny Tompontsika sy i Jesôsy Kristy Mpamonjy. Iriny ny hitomboantsika amin'ny fahalalana - tsy ny zavatry ny tany fa ny zavatry ny lanitra, izay mikasika an'i Kristy ilay Mpitarika antsika velona. Endrey, fahalalana ambony sy lehibe manao ahoana re izany! (...)

Fantatsika fa ho avy tahaka ny riaka mahery ny fampianaran-diso, ary izany indrindra no antony aniriantsika ny tara-pahazavana rehetra izay alefan'Andriamanitra ho antsika, mba hahatonga antsika ho tafajoro eo anatrehan'ny toe-java-tsarotra amin'ny andro farany. (...)

Ô! Irin'i Kristy ny hanala sarona ho antsika ireo zava-miafin'ny fanavotana! Naniry ny hanao izany ho an' ireo mpianany Izy fony niaraka tamin'izy ireo tety an-tany, kanefa kely dia kely ny fahalalan'izy ireo ny zava-panahy ka tsy takany ny Teniny. Tsy maintsy nanao izao teny izao tamin'izy ireo Izy: "Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny." - Jao. 16:12. Endrey! Ho nahazaka ny fitsapana mahatsiravina izay tsy maintsy nolalovany tamin'ny fotoana nitsarana an'i Jesôsy sy ny nanomboana Azy izy ireo raha toa nandroso ary koa nazoto nihaino ireo toromarik'i Kristy! Moa ve tsy havelantsika hanokatra ny saintsika i Jesôsy mba hahatakarantsika? (...)

Eo amoron' ilay tontolo mandrakizay isika, ary tsy maintsy manao fijoroana ho vavolombelona izay hifandrindra amin'ny lanitra manontolo.

Ho avy ny Tompo, ary tokony ho vonona isika! Iriko isa-tsegondra ny Fahasoavany - iriko ilay akanjom-pahamarinan'i Kristy. Tsy maintsy mampietry ny tenantsika eo anatrehan' Andriamanitra tahaka izay tsy mbola natao hatrizay isika; mankanesa eo an-tongotry ny hazo fijaliana, dia hataony eo am-bavanao ny teny holazainao momba Azy, eny ny fiderana an'Andriamanitsika koa aza. Hampianariny antsika ny feon-kira amin'ny hiran'ny anjely, eny ny fisaorana izay hatao amin'ilay Raintsika any an-danitra. Tsy mahay manao na inona na inona amin'ny herintsika isika, kanefa irin'Andriamanitra ny hikasika ny molotsika amin'ny vainafo avy eo amin'ny alitara. Iriny ny hanamasina ny lelantsika - ny hanamasina ny momba antsika manontolo. - TMK, t. 191.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal