Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fialofana azo antoka

Daty
Sabotsy 18 May 2024

"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra." - Fil. 4:6.  

Mofon'Aina:
Tsy sitrapon'Andriamanitra ny hivesaran'ny vahoakany ny   enta-mavesatry ny fiahiahiana. Tsy mamitaka antsika anefa ilay Tompontsika. Tsy milaza amintsika Izy hoe: "Aza matahotra fa tsy misy loza mananontanona eny an-dalanao." Fantany fa misy ny fitsapana sy ny loza samihafa, ary milaza izany mazava amintsika Izy. Tsy manoso-kevitra ny hanala ny olony tsy ho eto amin'ny tontolo feno fahotana sy faharatsiana Izy, fa mampitodika ny sain'izy ireo amin'ny fialofana azo antoka kosa. (...)

Ahoana no itoerantsika ao amin'ny fisalasalana ka ametrahantsika fanon-taniana raha toa tia antsika i Jesôsy, na dia be fahotana sy manana kilema marobe aza isika? Nanolotra ny Tenany ho antsika Izy mba hahafahany manavotra antsika amin'ny tsy fahatanterahana rehetra ka hanadiovany antsika ho tonga vahoaka miavaka ho Azy, vahoaka izay vonona hanao asa tsara. Tonga teto amin'ny tontolontsika tao anatin' ny olombelona feno fanetren-tena Izy, mba hahalalany ny fahoriana sy ny fakam-panahy izay mivelatra eo an-dalan'ny zanak' olombelona, ary koa mba hahalalany ny fomba hanampiana ireo reraka amin'ny fanolorany fitsaharana sy fiadanana ho azy ireo.

An'arivony anefa no manosi-bohon-tanana ny fanampiany ka mainka aza mifikitra mafy amin'ny enta-mavesatry ny fiahiahiany. Manatona ireo ory Izy ary manolo-tena hanamaivana ny alahelon'izy ireo sy hanasitrana ny fony maratra. (...) Tolorany fifaliana ireo diso fanantenana sy tsy mino ary malahelo ka tarihiny hitodika amin'ny fonenana izay omaniny ho azy ireo. (...)

Isaky ny miposaka ny andro fray dia ny herin'i Jesosy no tokony hiatrehantsika ireo fitsapana sy fakam-panahy ao amin'izany. Raha tsy manao izany isika amin'ny andro iray, dia manampy ny enta-mavesatra ho an'ny andro manaraka ka ho kely ny herintsika. Aoka isika tsy hanemban-drahona ny hoavy amin'ny tsy firaihana ankehitriny, fa hihevitra sy hitandrina amin'ny fanaovana ireo adidy ho fiomanana ny fiatrehana ireo fahamehana hiseho rahampitso. Ilaintsika ny mikolokolo toe-tsaina falifaly. (...) Aoka isika hijery mandrakariva ny lafiny tsara eo amin'ny fiainana ka ho feno fanantenana, ho feno fitiavana sy hanao asa tsara, ary ho faly mandrakariva ao amin'ny Tompo (...). - TMK, t. 225.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal