Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana mihamitombo

Daty
Alahady 19 May 2024

 "Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitaky Azy." - Heb. 11:6.

Mofon'Aina:
Tonga ny fotoana tokony hiandrandrantsika fitahiana lehibe avy amin'i Jehôvah . Tsy maintsy mijoro amin'ny fenitra ambony kokoa mikasika ny finoana isika. Kely loatra ny finoantsika. Ny Tenin'Andriamanitra no andry ho antsika. Tsy maintsy raisintsika izany, tokony hinoantsika ny teny tsirairay voasoratra ao. Ny fisian'izany toky izany no ahafahantsika mitaky zavatra lehibe, ary ho tonga amintsika araka ny finoantsika izany. (...)

Lehibe lavitra noho izay heverintsika ny hevitry ny fiasan'ny finoana. Midika ho fianteherana tena izy amin'ny teny voalazan'Andriamanitra mazava izany. Tokony haseho amin'ny asa ataontsika ny finoantsika fa hanao araka izay nambarany tokoa Andriamanitra. Tsy natao hihemotra na hijanona tsy hihetsika tsy akory ny fiainan'ny zavaboary (...). Tsy maintsy mandroso isika, miasa amin'ny finoana — finoana izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fanahy amin'ny aloky ny fitiavan-tena rehetra. Tsy ny tenantsika no tokony hianteherantsika fa Andriamanitra. Aoka isika tsy hikolokolo tsy finoana. Tsy maintsy manana finoana izay mihazona an'Andriamanitra amin'ny teniny isika. (…)

Ny tena finoana marina dia miorina amin'ny fanaovana araka izay nasain'Andriamanitra atao fa tsy famoronan-javatra tsy nanomezany baiko tsy akory. Ny rariny, ny fahamarinana, ny famindrampo, ireo dia voan'ny finoana. Ilaintsika ny mandeha araka ny lalan'Andriamanitra; rehefa izay dia ho voan'ny finoantsika ny asa tsara (...). Tsy maintsy ho tsara aloha ny hazo vao hitondra voa tsara. Tsy maintsy manolo-tena amin'ny fahafenoany ho an'Andriamanitra isika. (...)

Endrey izany saha naseho teo anoloako! Tsy maintsy miasa lalina ao anatin' ireo vahoakantsika isan'andro ny Fanahin'Andriamanitra. Tsy maintsy manana finoana izay miasa amin 'ny fitiavana izy ireo, finoana avy amin'Andriamanitra izany. (...) Rehefa miasa amin'ny fitiavana ny finoantsika, tahaka ny fitiavana izay nasehon'i Kristy teo amin'ny fiainany, dia ho mafy orina izany (...). Saingy tsy ho velona ao anatintsika i Kristy raha tsy maty aloha ny "izaho" (...). - TMK, t. 226. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal