Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hany lalana azo antoka

Daty
Alarobia 22 May 2024

"Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano." - Isa. 30:21.

Mofon'Aina:
Fantatro fa be ny fahorian'ny olombelona noho ny nialany tamin'ny lalana izay nofidin'Andriamanitra harahiny. Mandeha eo amin'ny fahazavan'ny afo izay narehiny ihany izy ireo ka azo antoka fa fahoriana sy alahelo no vokatr'izany. Azon'izy ireo natao anefa ny nidify izany raha toa izy nampilefitra ny sitrapony tamin'Andriamanitra ka namela Azy hifehy ny lalany. (...)

Na inona na inona lalana fidin'Andriamanitra ho antsika, na inona na inona lalana asainy andehanantsika, dia izay no hany lalana azo antoka. Tokony hokolokolointsika isan'andro ny toe-tsain'ny fileferana tahaka ny an'ny zaza, ary tokony hivavaka isika mba hanosorana ny masontsika amin'ny odi-maso avy any an-danitra mba hahaizantsika mamantatra ireo toromarika mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra, raha tsy izany dia ho very hevitra isika noho ny sitrapontsika izay toa mifehy ny zava-drehetra. Amin'ny masom-pinoana sy ny fileferan'ny zaza tahaka izay ataon'ny zanaka mpankato no aoka hijerentsika an'Andriamanitra sy hanarahantsika ny tari-dalany dia hisinda ireo toe-java-tsarotra. Izao ny teny fikasana: "Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho." - Sal. 32:8.

Tombontsoa ho antsika ny mitaky ny teny fikasana isan'ora ao anatin'ny tontolo andro raha toa isika manatona an'Andriamanitra amin'ny fanetren-tena sy ny toe-tsaina manaiky ampianarina fa tsy amin'ireo drafitra efa voaomantsika mialoha (...) na koa voavolavola araka ny sitrapontsika (...). Aoka isika tsy hitoky amin'ny tenantsika, ary hitandrina mba tsy hanaraka ny firehantsika sy ny fironana mahery vaika fandrao hanaraka ny fisainantsika sy ireo drafitsika manokana isika ka hihevitra izany ho fisainan' Andriamanitra. (...) Hay Raintsika any an-danitra no Mpanapaka antsika, ary tsy maintsy milefitra eo amin'ny fitsipika napetrany isika. Ankohonany tokoa isika. Manan-jo hisitraka ny fanompoantsika Izy, ary raha misy olona iray ao anatin'ny ankohonany minia mandeha na manao araka izay tiany dia hitondra fikorontanana sy fahaverezan-kevitra tokoa izany toe-tsaina izany. Tsy ny mba hanarahantsika izay lalana tiantsika no antony hianarantsika, fa ny hanarahantsika ny lalan' Andriamanitra sy hanaovantsika izay sitrany. TMK, t. 249.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal