Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana ho an'ny mino

Daty
Talata 28 May 2024

"Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao fiainana ankehitriny izao." - Tit. 2:11,12.

Mofon'Aina :
Misy asa lehibe tokony hataontsika raha tiantsika ny handova ny fiainana mandrakizay. Tokony halavirintsika ny toetra rehetra tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao, ary tokony hiaina fiainana feno fahamarinana isika. (...) Ao amin'i Jesôsy irery ihany no misy famonjena ho antsika, satria amin'ny alalan'ny finoana Azy no andraisantsika hery hahatongavana ho zanak'Andriamanitra. Tsy finoana mandalo fotsiny anefa izany fa finoana manao ny asan'i Kristy. (...) Ny finoana velona dia miseho amin'ny alalan'ny toe-tsain'ny fahafoizan-tena sy fanoloran-tena hanao ny raharahan'Andriamanitra. Ireo izay manana izany dia mijoro eo ambany fanevan'ilay Imanoela Andriana ary manohitra ny herin'ny haizina am-pahombiazana. Vonona ny hanao izay rehetra asain'ny Kapiteniny atao izy ireo. Ary ny tsirairay no anarina mba "ho tonga fianarana ho an'ny mino (...) amin'ny fiteny, amin'ny fitondrantena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana" - 1 Tim. 4:12, satria asaina isika "mba hisaina tsara sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika" (DIEM) eto amin'ity tontolo ankehitriny ity. Amin'izany no anehoantsika ny toetran'i Kristy sy ny fomba fisainany. (...) Ireo izay mifandray amin'i Jesôsy dia manana firaisana amin'ilay Mpanao sy Mpihazona ny zavatra rehetra. Manana hery izay tsy azon'izao tontolo izao omena na esorina aminy izy ireo. Tsy natao hifaly fotsiny amin'ny fitahiana azony anefa izy ireo rehefa atolotra azy ny tombontsoa lehibe. Amin'ny maha-mpitantana ny fahasoavan'Andriamanitra azy dia tokony ho fitahiana ho an'ny hafa izy. (...) Misy andraikitra goavana ankinina amintsika izay efa nandray ny hafatra ho an'izao andro izao. Tokony hanana hery miasa mangina izay hitaona ny hafa ho eo amin'ny fahazavan'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo. (...) Mpitandrina ny rahalahintsika isika (...). Raha tena mpino marina an'i Jesôsy isika dia hanangona taratry ny voninahitra ka hitsilo ny lalana maizina izay misy ireo manodidina antsika. Haneho ny toetra be fahasoavan'ilay Mpanavotra antsika, ary noho ny hery miasa mangina avy amintsika dia maro no ho voataona hibanjina "ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Jao. 1:29 - TMK, t. 316. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal