Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manandratra an'llay Lehilahin'i Kalvary

Daty
Alakamisy 30 May 2024

"Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy." - Jao. 3:14,15. 

Mofon’Aina :
Mampitodika anao ho eo amin'ny hazo fijalian' i Kalvary aho. Asaiko ianao handinika ny sorona tsy manam-petra natao teo (...) mba tsy hahavery anao fa hanananao ny fiainana mandrakizay noho ny finoana an'i Jesôsy Kristy. (...) Asaiko ianao mba hitodika amin'i Jesôsy. Voaro ianao rehefa apetrakao Aminy ny fisainanao lalina indrindra. Efa novidin'i Jesôsy Tompo tamin'ny sanda tsy manam-petra ianao. Azonao atolotra an'i Jesôsy ny fanahinao. Azonao atao ny mitoky Aminy ka manao Azy ho Mpanoro lalana anao. (...) Manatona mandrakariva an'Andriamanitra fa hanampy anao Izy.

Aoka ho azonao antoka fa mandray fahazavana avy amin'Ilay Loharanon'ny fahazavana rehetra ianao. (...) Hanazava ny olona rehetra izay eto amin'izao tontolo izao Izy. Aoka tsy hametraka fenitra ambany sy mora vidy isika. Kolokoloy ny fahamoram-pon'i Kristy. Tratraro ny haavo ambony indrindra ary mianara amin'i Jesôsy Kristy. Sakaizanao Izy. Azonao atao mandrakariva ny miankina Aminy, Izy ilay mahatoky sy marina. Rehefa mila ny fangorahany ianao raha ao anatin'ny  fotoana mahavery hevitra indrindra, ary koa rehefa maratra sy torotoro, dia tsy handalo fotsiny anao Izy. Azonao atao ny mankeo Aminy amin'ny fahatsoran'ny zaza. Azonao atao ny manatona Azy amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana. Amin'ny zavatra rehetra manandratra ny fanantenanao, amin'ny fahombiazana rehetra aorian'ny asa nataonao ho an'ny Tompo, dia mijere an'i Jesôsy ary apetraho eo an-tongony ny haja rehetra amin'izany. (...) Soraty eo amin'ny fanevanao ny anaran'i Kristy ary aza manala baraka ny fanevanao.

Nomena antsika ao amin'i Kristy Jesôsy ny lanitra manontolo. (...) Omeo voninahitra i Jesôsy amin'ny fanomezana Azy ny tsara indrindra ao am-po sy ny fanompoana masina indrindra! Efa nanolotra ny ainy ho anao Izy. (...)

Asandrato ny fanevanao; akaro avo izany. Aza avela hilatsaka amin'ny vovoky ny tany na oviana na oviana izany. Asandrato i Jesôsy. Asandrato avo ilay Lehilahin'i Kalvary, asandrato avo hatrany Izy. - TMK, t. 341.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal