Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manandratra an'llay Lehilahin'i Kalvary

Daty
Alakamisy 30 May 2024

"Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy." - Jao. 3:14,15. 

Mofon’Aina :
Mampitodika anao ho eo amin'ny hazo fijalian' i Kalvary aho. Asaiko ianao handinika ny sorona tsy manam-petra natao teo (...) mba tsy hahavery anao fa hanananao ny fiainana mandrakizay noho ny finoana an'i Jesôsy Kristy. (...) Asaiko ianao mba hitodika amin'i Jesôsy. Voaro ianao rehefa apetrakao Aminy ny fisainanao lalina indrindra. Efa novidin'i Jesôsy Tompo tamin'ny sanda tsy manam-petra ianao. Azonao atolotra an'i Jesôsy ny fanahinao. Azonao atao ny mitoky Aminy ka manao Azy ho Mpanoro lalana anao. (...) Manatona mandrakariva an'Andriamanitra fa hanampy anao Izy.

Aoka ho azonao antoka fa mandray fahazavana avy amin'Ilay Loharanon'ny fahazavana rehetra ianao. (...) Hanazava ny olona rehetra izay eto amin'izao tontolo izao Izy. Aoka tsy hametraka fenitra ambany sy mora vidy isika. Kolokoloy ny fahamoram-pon'i Kristy. Tratraro ny haavo ambony indrindra ary mianara amin'i Jesôsy Kristy. Sakaizanao Izy. Azonao atao mandrakariva ny miankina Aminy, Izy ilay mahatoky sy marina. Rehefa mila ny fangorahany ianao raha ao anatin'ny  fotoana mahavery hevitra indrindra, ary koa rehefa maratra sy torotoro, dia tsy handalo fotsiny anao Izy. Azonao atao ny mankeo Aminy amin'ny fahatsoran'ny zaza. Azonao atao ny manatona Azy amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana. Amin'ny zavatra rehetra manandratra ny fanantenanao, amin'ny fahombiazana rehetra aorian'ny asa nataonao ho an'ny Tompo, dia mijere an'i Jesôsy ary apetraho eo an-tongony ny haja rehetra amin'izany. (...) Soraty eo amin'ny fanevanao ny anaran'i Kristy ary aza manala baraka ny fanevanao.

Nomena antsika ao amin'i Kristy Jesôsy ny lanitra manontolo. (...) Omeo voninahitra i Jesôsy amin'ny fanomezana Azy ny tsara indrindra ao am-po sy ny fanompoana masina indrindra! Efa nanolotra ny ainy ho anao Izy. (...)

Asandrato ny fanevanao; akaro avo izany. Aza avela hilatsaka amin'ny vovoky ny tany na oviana na oviana izany. Asandrato i Jesôsy. Asandrato avo ilay Lehilahin'i Kalvary, asandrato avo hatrany Izy. - TMK, t. 341.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal