Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka isika hangataka amin'Andriamanitra

Daty
Alakamisy 06 June 2024

 "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an 'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. " — Jak. 1:5. 

Mofon'aina:
Tombontsoan'ny mpino tsirairay ny miresaka amin'Andriamanitra ao amin'ny efitranony aloha, ary avy eo, miresaka amin'ny hafa amin'ny maha-mpitondra tenin'Andriamanitra azy. Tsy maintsy mandray fahazavana sy fitahiana isan'andro isika raha te hanan-javatra hozaraina amin'ny hafa. Vehivavy sy lehilahy mifandray amin'Andriamanitra, manana an'i Kristy mitoetra ao anatiny, izay voahodidin'ny rivo-piainana masina satria miara-miasa amin'ireo anjely masina, ireo no ilaina amin'izao andro izao. Mila olona manana hery mamabo fanahy ho an'i Kristy, afaka maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny teny mamy mampahery ny asa. 

Rehefa mandohalika mivavaka eo anatrehan'Andriamanitra ny mpino, ka maneho ny fangatahany amim-panetren-tena sy fo torotoro, amin'ny molotra tsy mandainga, dia tsy mihevitra ny tenany intsony izy. Inona no tsy maintsy ananany mba hamolavolany toetra tahaka ny an' i Kristy? Izany no mameno ny fisainany. Izao no vavaka ataony: "Tompo ô, raha tokony ho fantsona ikorianan'ny fitiavanao isan'andro sy isan'ora aho, dia amin'ny finoana no itakiako Aminao ny fahasoavana sy ny hery efa nampanantenainao." Fikiriny mafy ilay teny fikasana manao hoe: "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, (..) ary dia homena azy izany."

 (...) Amin'ny alalan'ny fahasoavany mahagaga sy manandratra no anamasinan'ny Tompo ilay mpivavaka feno fanetren-tena ka anomezany azy hery hanatanterahany ny adidy sarotra indrindra. Ho an'Andriamanitra avokoa no anaovany ny zavatra rehetra, ka amin'izany dia manjary ambony sy masina ny asa tsotra indrindra. Manjary mendrika ny tenany sy ny fihetsiny rehetra (...) 

Manana asa lehibe atao eto amin'izao tontolo izao ireo zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra. Tokony hekeny ho mpanolo-tsaina azy ireo ny tenin'Andriamanitra, ary tokony hozarainy amin'ny hafa. Natao hampiely fahazavana izy ireo. (...) Ny tenin'i Kristy no hambaran'izy ireo. Ho hita amin'ny fiteniny sy ny fihetsiny fa voaova fo isan'andro ho amin'ny foto-kevitry ny fahamarinana izy ireo. Zava-mahagaga dinihin'izao tontolo izao sy ny anjely ary ny olona ny mpino toy izany, ary homem-boninahitra ao amin'izy ireo Andriamanitra. — HP, t. 67. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal