Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy zava-madinika loatra

Daty
Zoma 07 June 2024

"Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy." - Fit. 3:25.

Mofon'Aina

Vitsy ihany ireo mahatakatra tsara na manome lanja araka ny tokony ho izy ny tombontsoa sarobidin'ny vavaka. Tokony hanatona an'i Jesôsy isika ary hilaza Aminy izay ilaintsika. Azontsika entina eo Aminy ny zava-madinika manahirana ny saintsika, tahaka ireo olana lehibe kokoa. Na inona na inona mampitebiteby na mahakivy antsika, dia tokony hoentintsika eo amin'ny Tompo amin'ny alalan'ny vavaka izany. Fitahiana sarobidy maro no verintsika amin'ny tsy fanaovantsika izany. Izy Ilay Mpanolo-tsaina mahagaga. Manan-danja lehibe Aminy ny fiangonana, ary amim-pitiavana sy fangorahana no ijereny azy. (...) 
Aza mitsahatra mivavaka. Raha mitaredretra ny valiny dia andraso ihany. Apetraho eo an-tongotry ny Mpamonjy ny drafitrao rehetra. Aoka hahery hivavaka amin'Andriamanitra ianao. Raha ho voninahitr'Andriamanitra izany dia hotononina ireto teny manome toky ireto hoe: "Aoka anie ho tonga aminao araka ny teninao."

Tsy hanasatra an'i Kristy velively ny fitalahoantsika mafy indrindra. (...) Aoka ny molotsika tsy hamoaka fitarainana. Finoana sy herim-po no resaho eo am-piandrasana Azy (...) Tandremo ny fisalasalana, andrao ho tonga fahazaran-dratsy hamono ny finoana izany. Mety hanjavozavo sy tsy hay hazavaina ny fitondran'ny Raintsika any an-danitra, fa tsy maintsy mitoky Aminy isika na izany aza. Oh, sarobidy loatra i Jesôsy ho an'izay matoky Azy! Saingy maro no mandeha amin'ny maizina satria nandevina ny finoany ho eo ambanin'ny alok'i Satana. (...) Tsy azontsika atao mihitsy ny mamela an'i Satana hihevitra fa ny heriny manakivy sy misompatra antsika dia lehibe kokoa noho ny herin'i Kristy manandratra sy mampahery. (...) Miharo amin'ny ran'i Kristy mahavonjy ny vavaka tsirairay atao amin'ny fo marina. Raha tsy mivaly eo no ho eo ny vavaka dia satria tian' Andriamanitra hanana fahasahiana masina hitaky Aminy ny teny fikasana isika. Mahatoky Ilay nanao ny teny fikasana. Tsy handao na oviana na oviana ny fanahy izay manolo-tena tanteraka ho Azy Izy. — HP, t. 74.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal