Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy zava-madinika loatra

Daty
Zoma 07 June 2024

"Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy." - Fit. 3:25.

Mofon'Aina

Vitsy ihany ireo mahatakatra tsara na manome lanja araka ny tokony ho izy ny tombontsoa sarobidin'ny vavaka. Tokony hanatona an'i Jesôsy isika ary hilaza Aminy izay ilaintsika. Azontsika entina eo Aminy ny zava-madinika manahirana ny saintsika, tahaka ireo olana lehibe kokoa. Na inona na inona mampitebiteby na mahakivy antsika, dia tokony hoentintsika eo amin'ny Tompo amin'ny alalan'ny vavaka izany. Fitahiana sarobidy maro no verintsika amin'ny tsy fanaovantsika izany. Izy Ilay Mpanolo-tsaina mahagaga. Manan-danja lehibe Aminy ny fiangonana, ary amim-pitiavana sy fangorahana no ijereny azy. (...) 
Aza mitsahatra mivavaka. Raha mitaredretra ny valiny dia andraso ihany. Apetraho eo an-tongotry ny Mpamonjy ny drafitrao rehetra. Aoka hahery hivavaka amin'Andriamanitra ianao. Raha ho voninahitr'Andriamanitra izany dia hotononina ireto teny manome toky ireto hoe: "Aoka anie ho tonga aminao araka ny teninao."

Tsy hanasatra an'i Kristy velively ny fitalahoantsika mafy indrindra. (...) Aoka ny molotsika tsy hamoaka fitarainana. Finoana sy herim-po no resaho eo am-piandrasana Azy (...) Tandremo ny fisalasalana, andrao ho tonga fahazaran-dratsy hamono ny finoana izany. Mety hanjavozavo sy tsy hay hazavaina ny fitondran'ny Raintsika any an-danitra, fa tsy maintsy mitoky Aminy isika na izany aza. Oh, sarobidy loatra i Jesôsy ho an'izay matoky Azy! Saingy maro no mandeha amin'ny maizina satria nandevina ny finoany ho eo ambanin'ny alok'i Satana. (...) Tsy azontsika atao mihitsy ny mamela an'i Satana hihevitra fa ny heriny manakivy sy misompatra antsika dia lehibe kokoa noho ny herin'i Kristy manandratra sy mampahery. (...) Miharo amin'ny ran'i Kristy mahavonjy ny vavaka tsirairay atao amin'ny fo marina. Raha tsy mivaly eo no ho eo ny vavaka dia satria tian' Andriamanitra hanana fahasahiana masina hitaky Aminy ny teny fikasana isika. Mahatoky Ilay nanao ny teny fikasana. Tsy handao na oviana na oviana ny fanahy izay manolo-tena tanteraka ho Azy Izy. — HP, t. 74.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal